Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro(R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsih...
Nampitandrina momba ny toetra efatra ny Mpaminany (S.A.W) ka raha mitambatra amin'ny mpino silamo iray dia hitovy be amin'ny mpihatsaravelatsihy noho...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Massod (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpa...
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy fanaon'ny mpino be finoana ny manala baraka ny olona amin'ny firazanany, na ny manompa sy manozona matetika, na ny...
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Oumar (R.A) niteny : Nandre lehilahy iray nananatra ny Rahalahiny momba ny fahamaotinana (Henatra) i Mpaminany...
Nandre lehilahy nanoro hevitra ny Rahalahiny i Mpaminany (S.W.A) mba hiala amin'ny fahamaotinana tafahoatra loatra ! kas dia Nohazavainy Taminy fa ani...
Tatitra azo avy tamin'i AL-MIkDAD Ibn Maadi Karab (R.a), niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Raha misy Olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy h...
Manazava i Mpaminany (saw) dia momba ny iray amin'ireo antony manamafy orina ny fifandraisan'ny mpino sy mampiparitaka ny fifankatiavana eo amin'izy i...
Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Ny asa tsara rehetra dia fanomezana".
Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny asa soa rehetra sy izay mahasoa ny hafa, amin'ny teny na amin'ny fihetsika dia fanomezana, ary mitondra va...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro(R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy.

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Massod (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpanao vetaveta be, na mpiteny ratsy."

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Oumar (R.A) niteny : Nandre lehilahy iray nananatra ny Rahalahiny momba ny fahamaotinana (Henatra) i Mpaminany (S.W.A), ka hoy Izy Taminy hoe : “ Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana ”.

Tatitra azo avy tamin'i AL-MIkDAD Ibn Maadi Karab (R.a), niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Raha misy Olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza Aminy mivantana hoe Tia Azy Izy ."

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Ny asa tsara rehetra dia fanomezana".

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Isaky ny vanin-taolana eo amin'ny olombelona dia misy fanomezana avokoa, isaky ny miposaka ny masoandro ka nanao fahamarinana eo anatrehan'ny olona roa dia fanomezana, ny fanampiana ny olona amin'ny biby fitaingenany ka mampiakatra na mitondra ny enta-mavesatrany dia fanomezana, ny teny mamy dia fanomezana, ary isaky ny famindra iray atao makany amin'ny moske dia fanomezana, ary fanalana zava-maranitra eny an-dàlana dia fanomezana".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Bazrat Al-Aslami (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy".

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy; ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka izy mba hikarakara tsara ny vahininy.

Tatitra azo avy tamin'i Abi Zarry (R.A) niteny : Niteny tamiko i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza manao tsinontsinona ny asa soa, na dia amin'ny endrika falifaly aza no rehefa mifanena amin'ny rahalahinao."

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa, ary ny olona iray dia tsy mitsahatra milaza ny marina sy miezaka ny hanao ny marina mandra-panoratana azy ho olo-marina eo anatrehan'Allah, ary mitandrema ianareo amin'ny lainga satria ny lainga mitondra makany amin'ny ratsy, ary ny faharatsiana dia mitondra any amin’ny afobe, ary tsy mitsahatra ny olona iray mandainga sy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho mpandainga eo anatrehan’Allah".

Tatitra azo avy tamin’i Jarir bin Abdillah Al-Qusri (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.w) manao hoe : "Izay tsy mamindra Fo amin'ny Olona, dia tsy hamindra ao aminy ihany koa i Allah ilay avo Tsitoha."