Milaza i Mpaminany (S.W.A) ka manazava Amintsika fa ny mpifosafosa iray izay mampita teny eo amin’ny samy Olona amin’ny fikasana hanao fikorontanana s...
Nazavainy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo meloka dia mety hahazo famelan-keloka sy ny famindram-po avy amin'I Allah, afa-tsy izay manambara ny...
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny hoe: Nanao ny vaky kabariny tamin’ireo olona ilay irak'Allah (S.A.W) tamin’ny andro nahazoana ny tanànan'...
Nanao vaky kabary tamin’ireo olona ny Mpaminany (S.A.W) tamin’ny andro nahazoana ny Lameka nanao hoe : “Ry vahoaka, Allah efa nanaisotra sy nanala teo...
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : “ Ny Olona tena tsy Tian’i Tompo Allah indrindra dia ny Olona tsy resy ambava ”
Nanazava sy Nilaza Amintsika i Mpaminany (S.W.A), fa i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha, dia mankahala ny Olona izay miady mafy sy be olana, izay tsy mana...
Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa raha misy Islamo roa mampifanena ny sabany amin'ny alàlan'ny ady, ka samy mikasa izy roa ny handringana ny namany...
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny hoe: Nanao ny vaky kabariny tamin’ireo olona ilay irak'Allah (S.A.W) tamin’ny andro nahazoana ny tanànan'ny Lameka ka nanao hoe : “Ry vahoaka (mpino), nesorin’Allah taminareo ny vesatry ny habadoana sy ny fanomezanareo voninahitra ny razanareo noho izany, fa ny olombelona dia misy karazany roa : mpino, manam-patahorana, be voninahitra manoloana an’Allah, sy ny tsy matahotra an’Allah, ory, tsisy fotony eo anatrehan’Allah, ary ny olona rehetra dia taranak’Adama, Ary avy tamin’ny tany no niharian’Allah an’Adama. Hoy i Allah manao hoe : "Ry olombelona! Noharianay avy amin'ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko maro, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan'Allah, dia izay vontompinoana indrindra. Fa Mahalala sy Mahafantatra tsara ny zavatra rehetra Allah.” [Al-Hojràty: 13]
Tatitra azo avy amin'i SAHLI IBN SAAD (R.a), Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”
Tatitra azo avy amin'i Abdollah bin Masond (R.A) niteny izy: Niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay ka niteny izy manao hoe: "Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany."