Tatitra azo avy tamin'i Abo Sai’d Al*Kodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka an...
Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fiainana eto an-tany dia mamy amin'ny tsirony ary maitso eo amin'ny fahitana azy, noho izany dia lasa voafitaka ny...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy."
Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa tsy manan-kery ny fanambadian'ny vehivavy afa-tsy amin'ny alàlan'ny lehilahy mpiahy izay manatanteraka n...
Tatitra azo avy amin'i Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-...
Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny fepetra voalohany takina ny fanatanterahana azy dia ilay maha-ara-dalàna ny fakana fafinaretana ara-nofo amin'ny ve...
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Fifaliana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana t...
Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa izao tontolo izao sy izay rehetra ao anatiny dia zavatra ankafizin'ny olona mandritra ny fotoana fohy iainany...
Tatitra azo avy amin'i Jarir Bin Abdillah (R.A) niteny hoe izy : Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny...
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Jarir bin Abdollah (R.A) momba ny lehilahy iray nijery tampoka ny vehivavy vahiny azy (tsy vadiny no azony vadina)...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Sai’d Al*Kodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy, fa ny fiandohan’ny fakam-panahy ho an’ny Zanak’Israely dia tamin'ny vehivavy.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy."

Tatitra azo avy amin'i Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana".

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Fifaliana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”

Tatitra azo avy amin'i Jarir Bin Abdillah (R.A) niteny hoe izy : Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko".

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy : Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany.

Tatitra azo avy tamin'i Abd Ar-Rahman ibn Abi Layla, tao amin'i Hodhayfah izy ireo, ary nangataka rano izy, ary nisy olona majosi (mpanompo afo) nanome azy rano hosotroiny, rehefa nametraka ny kaopy teny an-tànany izy dia nariany ary niteny hoe : Raha tsy noho ny tsy nandrara azy indray mandeha na indroa aho - toy ny te hiteny hoe : tsy nanao izany aho - saingy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) aho niteny manao hoe : "Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra."

Tatitra azo avy amin'i Ali (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany"

Tatitra azo avy amin'i Ibn Oumar (R.A) niteny : Nandrara ny fanaovana Qaz’aa ny irak’Allah (S.A.W).

Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Hetezo ny volombava ambony ary alavao ny somotra."

Tatitra azo avy tamin'i Abo Saì'd Al-Khodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy hafa, ary ny lehilahy tsy tokony hiray lamba amin’ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mahazo miray lamba amin'ny vehivavy hafa".

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) niteny : Ny Mpaminany dia tsy maloto fitondran-tena ary tsy nanao vetaveta fa matetitra milaza izy hoe : "Fa ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra."