Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mam...
Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ireo izay miantra ny hafa dia hamindra fo aminy ilay Be indrafo, amin'ny alalan'ny famindram-pony izay mandrakotra ny...
Tatitra azo avy amin'i Abdillahi bin A'mro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany...
Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny tena mpino silamo manampinoana dia ny olona izay miaro ny lelany amin'ny mpino silamo namany, tsy manompa azy ire...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (saw) niteny manao hoe : “Ny zon’ny silamo amin’ny silamo naman...
Manazava ny ampahany amin'ireo zon'ny silamo amin'ny rahalahiny silamo i Mpaminany (saw). Ny voalohany amin'ireo zo ireo dia ny mamaly ny fiarahabana...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hi...
Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy hiditra ny Paradisa raha tsy ireo mpino ihany, ary tsy ho feno ny finoana ary tsy mihatsara ny fiarahamonina si...
Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Amro (R.A) niteny izy : Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao a...
Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : karazan-javatra inona ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Nanonona karazan-javatra roa izy : Ny v...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.

Tatitra azo avy amin'i Abdillahi bin A'mro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah."

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (saw) niteny manao hoe : “Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo".

Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Amro (R.A) niteny izy : Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy ho lazaiko aminareo ve izay hamafan’I Allah ny fahotana sy hanandratana ny voninahitra?” Namaly izy ireo : “Eny, ry irak’I Allah ô.” dia hoy izy : ny fanaovana ozo amin'ny fotoana manahirana sy fandehana im-betsaka any amin'ny moske ary ny fiandrasana swalat aorian'ny swalat, izany no fatorana lehibe".

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Irak'Allah (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’I Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa. Miezaha hanao izay hahasoa anao, ary mitadiava fanampiana amin’I Allah fa aza manaiky resy, ary raha misy zavatra manjo anao, dia aza miteny hoe : "Raha mba nanao izao sy izao aho". Fa lazao hoe : “Lahatr’I Allah ary izay sitrapony no ataony.” Eny tokoa fa ny teny “raha” dia manokatra ny asan’i Satana".

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Oumar (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy".

Tatitra azo avy tamin'i Bou Darda'i (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty ”.

Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy efa mitia ho an'ny rahalahiny izay zavatra tiany ho an'ny tenany."

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) vadin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Tsy misy zavatra nidiran'ny hatsarampanahy sy ny fahatsorana afa-tsy hoe nankatsarainy, ary tsy misy zavatra nialany afa-tsy hoe simba avokoa".

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny finoana dia mora, ary izay manenjana ny finoana dia ho resiny, koa avereno izany, ary manatòna, manaova teny mahafaly, ary mitadiava fanampiana amin’ny maraina sy amin’ny atoandro, ary amin'ny alina".