Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny toetra tsara dia mitondra ny tompony amin'ny toeran'ny olona mifady hanina tsy tapaka mandritra ny andro sy mivava...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsa...
Milaza i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona manampinoana feno indrindra dia izay manana toetra tsara indrindra, ary izany dia tazana amin'ny endrika madio,...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny : Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona h...
Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny antony lehibe indrindra hidirana ny Paradisa dia antony roa izany dia :
Ny Fatahorana an'i Tompo Allah sy fanàna...
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny : i Mpaminany (S,W,A) no olona tsara toetra indrindra.
i Mpaminany (S.A.W) no tonga lafatra indrindra amin'ny olona rehetra, ary izy no voalohany tamin'ny fitondran-tena sy ny hatsaran-toetra rehetra, ta...
Tatitra azo avy amin'i Saad Ibn Hisham Ibn Aamir - rehefa niditra tao amin'i Aicha (R.A) : O! Ry Renin'ny mpino rehetra, ambarao Ahy ny toetran'ny Mpa...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny : Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.
Tatitra azo avy tamin'i Chidàd Ibn Aosy (R.D) Nilaza : Misy zavatra roa voaraiko tamin'ny Irakan'Allah (S.W.A), Hoy izy manao hoe : "Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra ; ka raha mamono biby ianareo, dia aoka mba hanatsara ny famonoana azy, ary raha manapaka biby fiompy ianareo, dia tapao tsara; ka aoka handrangitra tsara ny Lelan'antsiny ny tsirairay aminareo mba , ary hampiadana ny biby tapahiny ."
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) : “Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa, Ireo izay marina amin’ny fitsarany, sy amin'ny fianakaviany, ary ireo izay iadidiany».
Tatitra azo avy tamin'i Saiid Al-Khoudriou, niteny i Mpaminany (S.A.W) : " Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy."
Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa Al-Ashario (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny ohatry ny namana tsara sy ny namana ratsy dia toy ny mpivarotra ranomanitra miska sy izay manefy vy, ny mpivarotra misk : na omeny ianao na mividy aminy na maheno fofona manitra fona, fa ny mpanefy vy : na mandoro ny lambanao, na maheno fofona ratsy".
Tatitra azo avy tamin'i Abi Houraira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra".