Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.a), fa Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : “ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika .” ka Niteny avo...
Nandidy ny vahoakany i Mpaminany (saw) mba hanalavitra tanteraka ireo heloka sy ny fahotana fito izay voalaza fa maharendrika, ary rehefa nanontaniana...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Bakrata (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra?”naverin...
Nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ireo mpiara-diany ny fahotana lehibe indrindra, ka nilaza ireto telo ireto izy :
1. Fampiombonana an'I Allah am...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro bin 'Assi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny fahotana lehibe dia ny: fampiombonana an'I All...
Manazava ny fahotana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia ireo izay misy fandrahonana mafy ho an'ny mpanao azy eto an-tany na any ankoatra.
Ny voalohany...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah Bin Mas’odi (R.A) : Niteny ny Irak'allah (S.A.W) manao hoe : “Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro f...
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra voalohany hotsaraina eo amin'ny samy olombelona amin'ny tsy rariny nifanaovan'izy ireo amin'ny andro farany...
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mamono ny mpanao fanekena dia tsy haheno ny hanitry ny...
Nambaran’ny Mpaminany mazava tsara ny fandrahonana henjana ho an'izay mamono mpanao fanekena - izany dia iray amin’ireo tsy mpino izay miditra amin’ny...
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.a), fa Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : “ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika .” ka Niteny avokoa ireo Mpanara-diany Mpaminany ( saw) nanao hoe : Ry iraka mahafatokin'i Tompo Allah O ! , ka mba inona avokoa moa ary izy ireo ? dia namaly Izy ka Niteny hoe : “ Ny fanakambanana ny fanompoana an’i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa, ny filalaovana ireo Aody mahery, ny famonoan'Olona tsy amin'ny rariny izay noraran’i Tompo Allah afa-tsy amin’ny fahamarinana ihany, fihinana ny zana-bola, fihinana ny volan’ireo kamboty, ary fandosirana amin’ny Ady masina, fanendrikendrehana ireo vahoaka Mpino vavy madio ara-mpitondran-tena .”
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro bin 'Assi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny fahotana lehibe dia ny: fampiombonana an'I Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mamono ny mpanao fanekena dia tsy haheno ny hanitry ny Paradisa, ary ny hanitry ny paradisa dia heno hatrany amin’ny halavirana dia efa-polo taona.”
Tatitra azo avy tamin'i Anas Ibn Malik (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay maniry ny hanitatra ny fivelomany, ary ny hanitatra ihany koa ny anjaram-pivelomana, dia aoka izy hihazona ny fifandraisany amin'ireo havany. "
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Amro (r.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : "Tsy ilay manolotra fanomezana no atao hoe mpanohy ny fihavanana, fa ny tena mpanohy fihavanana dia ilay miezaka manohy izany raha sendra misy fahatapan'ilay fihavanana".
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy manao hoe : Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny mpanao kolikoly sy ny mpaka tsolotra amin'ny fitsarana.