- Fampianarana tsara avy amin'ny Mpaminany (S.A.W), rehefa nanolotra fampianarana tamin'ny alàlan'ny fametrahana fanontaniana.
- Fananan'ireo mpanaradia ny fitondran-tena tsara manoloana an'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niteny hoe : Allah sy ny Irany ihany no tena mahalala.
- Valitenin'ireo nanontaniana rehefa tsy mahafantatra dia ny hoe : Allah no tena mahalala.
- Fiarovana ny lalàna Islamika ho an'ny fiarahamonina amin'ny alàlan'ny fiarovana ny Zo sy ny firahalahiana eo amin'izy ireo.
- Voarara ny fifosana afa-tsy amin’ny toe-javatra sasany noho ny tombotsoa manokana. Tafiditra ao anatin’izany : fanakanana ny tsy rariny, ka ny voambaka no mitantara momba ilay nanambaka azy amin'ny olona mahavita manampy azy haka ny zony, ka miteny izy hoe : Nanambaka ahy ranona, na nanao an’izao sy izao tamiko, ary anisan’izany koa : Fifampidinihana mikasika ny fanambadiana, fifampizarana, na ny manodidina, sy ny sisa.