Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khattab (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mifototra amin'ny finiavana ny Asa rehetra, ary iz...
Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa rehetra manan-kery dia miainga amin'ny finiavana, ary izany lalàna izany dia mihatra amin'ny endrika ankapobeny...
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay nitondra zava-baovao ato amin’ity raharahantsika ity, izay tsy ao an...
Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mamorona zavatra amin'ny finoana na manao zavatra tsy misy porofo avy amin'ny CORAN sy ny Sonnât dia haverina an...
Tatitra azo avy tamin'i Mouazy (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nitaingina tao aorian' ny Mpaminany (S.W.A) Aho tamin'ny apondra antsoina hoe : Oufair, di...
Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony, sy ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah, ary ny Zon'i Tompo Allah amin'ireo m...
Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khattab (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mifototra amin'ny finiavana ny Asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny Olona iray. Koa na iza na iza nano fifindra-monina mankany amin'i Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy hovadiny, dia noho izany tokona no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina nataony”. Ary amin'ny fanambarana nataon'i Al-Bokhari : " Ny Asa dia miainga amin'ny finiavana, ary ny Olona tsirairay dia samy hahazo valisoan'ny fikasany".
Tatitra avy tamin'i Oumar (R.A), niteny manao hoe : "Indray andro izahay niara-nipetrapetraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W), dia nisy lehilahy iray mainty volo ary manao lamba fotsy, tsy hita taratra teo aminy hoe : olona mpiavy na mpanao voyage, tsy nisy nahalala azy mihitsy na iray taminay. Nipetraka teo akaikin'ny Mpaminany (S.A.W) avy hatrany izy, napetany tamin'ny lohalin’ny Mpaminany (S.A.W) ny lohaliny, ary teo ambonin'ny fe-ny ny tànany. Avy eo niteny manao hoe : "O ry Mouhammad (S.A.W), Ampahafantaro ahy ny atao hoe : ISLAM. Hoy i Mpaminany (S.A.W) namaly azy hoe : "Ny Islam dia ny fijoronao vavolombelona fa tsy misy tompo afa tsy i Allah irery ihany ary i Mouhammad (S.A.W) no Irany, ny fanangananao ny Swalat, ny famoahanao ny ampahan-karena na ny Zakat, ny fifehezana amin'ny volana Ramadan, ary ny fivahiniana masina any Makkat raha manan-katao amin'izany ianao. Hoy ilay rangahy namaly azy : Marina tokoa ny voalazanao. Gaga izahay hoy i Oumar (R.A) satria izy nanontany indray no manamarina izay voalaza taminy. Niteny izy hoe : "Ampahafantaro ahy ny atao hoe : FINOANA na ny IMAN". Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny Iman dia ny finoanao an'i Allah sy ireo anjeliny, ireo bokiny, ireo Irany, ny andro farany, ary ny lahatra tsara sy ny ratsy". Hoy ilay rangahy : "Marina ny voalazanao". Hoy indray izy nanontany hoe : "Lazao amiko ny atao hoe : hatsarana?". Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny hatsarana dia ny fanompoanao an'i Allah tahaky ny mahita azy, raha tsy mahita azy ianao dia tadidio tsara fa Izy Allah dia mahita anao hatrany". Hoy ilay rangahy hoe : "Lazao amiko ovina ny fara-andro?". Namaly i Mpaminany (S.A.W) : "Na ilay anontaniana na ny mpanontany dia samy tsy misy mahalala ny figadonany". Lazao amiko ny famantarana azy. Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny andevo vavy hiteraka ny tompony (lehibeny na patron-ny), ireo tsy mikapa sy miboridana, ireo mahantra, mpiandry ondry no lasa ho mpanan-karena tampoka ka hanangana trano lehibe mijoalajoala". Rehefa tapitra fanontanian’ilay rangahy dia lasa izy. Afaka andro vitsivitsy dia nanontany ahy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Fantatrao ve ry Oumar ilay mpanontany?". Hoy aho namaly azy hoe : "I Allah sy ny Irany ihany no mahalala". Hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Tena marina fa i Djibril (A.S) no tonga teo iny, hampianatra anareo ny rehetra mahakasika ny finoanareo".
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Tatitra azo avy tamin'i Mouazy (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nitaingina tao aorian' ny Mpaminany (S.W.A) Aho tamin'ny apondra antsoina hoe : Oufair, dia Niteny Tamiko Izy ny hoe : " O ! Ry Moua'zh, fantatrao va inona ny Zon'i Tompo Allah amin'ireo mpanompony, ary inona ihany koa ny Zon'ireo mpanompony amin'i Tompo Allah ? " ka Namaly Aho : Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala izany, ary Niteny Izy ka nanao hoe : fa ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza ", ka hoy Aho manao hoe : O ! Ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah moa va tsy holazaiko amin'ny Olona rehetra izany ? Dia namaly Izy (S.W.A) ka nanao hoe : " Aza ambara fa manjary miankin-doha amin'izany avokoa izy ireo ".
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) : Nitaingina biby i Mpaminany (S.W.A) niaraka tamin'i Mouaz Ibn Jabal tao aoriany, ka hoy izy : "O! Ry Moa'zh ibn Jabal" Namaly izy hoe: "Eny mihaino anao aho ry irak'i Allah!". Naveriny in-telo izany, avy eo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe". Hoy i Mouaz : "Holazaiko amin'ny olona ve izany mba hahafaly azy ireo?". Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Sao dia lasa miantehitra amin'izany izy ireo”. Dia nolazain'i Muaz ihany izany talohan'ny nahafatesany mba tsy ho tsiny aminy.
Tatitra azo avy amin'i Twariq Ibn Ashyam (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miteny hoe : Là ilàha illal-làhou, ary tsy mankato ny zavatra hafa tompoina ankoatran'i Allah dia fady ny maka ny harenany sy ny ràny fa ny fitsarana Azy dia any amin'ny Tompo Allah.
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny iray hafa aho, hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe” Ary hoy aho hoe : Izay maty tsy miantso zavatra hafa ankoatra an’I Allah dia miditra ny Paradisa.
Tatitra azo avy amin'i IBN ABBAS (R.a), niteny ka nanao hoe : Niteny i Mpaminany (S.A.W) rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL tany Yamen manao hoe : "ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'I Allah, ka rehefa nanaiky izany izy ireo, dia lazao amin'izy ireo fa I Allah no nandidy azy ireo vavaka in-dimy isan'andro, rehefa nankatoa izany, dia lazao fa I Allah nandidy ny famoahana ny fananan'ny mpanan_karena omen'ny mahantra eo amin'izy ireo, raha efa nankatoa izany dia mitandrema ianao amin'ny fananan'izy ireo, ary matahora ny vavaky ny olona voambaka, satria tsy misy mpanelanelana eo aminy sy ny tompo Allah".
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny hoe : Nisy niteny sy nilaza hoe : O ry irak' Allah, iza tokoa no ho sambatra indrindra amin'ny fanelanelanana izay mbola hataonao amin'ny Andro farany Andro ny fitsanganana amin'ny maty ? dia Hoy ilay irak' Allah namaly ka nanao hoe : “ Nihevitra Aho, ry Abou Houraira, fa tsy hisy Olona hanontany Ahy mihintsy ny momba an'io Hadith io talohanao, ka noho ianao hitako mifikitra mafy amin'io Hadith io, ka Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny".
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny Imany na ny finoana dia manana ampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana ary ny fananana ny henatra dia anisan'ny finoana".