- Porofon'ny fanelanelanana hataon'ny Mpaminany (saw) amin'I Allah any ankoatra, ary izany dia ho an'ny mpino tokana ihany.
- Ilay fanelanelanana ataon'ny mpaminany (saw), dia ny fitalahoany amin’I Allah ilay Tsitoha mba tsy hidiran'ny olona izay mendrika ny afobe avy amin’ireo mpino mpanokana azy, ary izay miditra ao amin'ny Afobe dia hivoaka ao.
- Ny hasin'ny teny fanokanana an'I Allah amin'ny fanompoana Azy sy ny valisoa lehibe azo avy Aminy.
- Ny fampiharana ny teny fanokanana an'I Allah dia amin’ny alàlan’ny fahafantarana ny heviny, sy ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’izany.
- Fitiavany an'i Abo Horaira (R.A) manokana sy ny fahamatorany amin'ny fitadiavana fahalalana.