Tatitra azo avy tamin'i Abo Ayòb (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’n...
Noraran'ny Mpaminany (S.A.W) ny olona te hanala ny mavesatra aminy toy ny amany sy tay mba tsy hitodika any amin'ny Kiblat makany amin'ny Ka'ba, ary t...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Katada (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminar...
Nanazava ny ampahany amin'ny fahalalam-pomba ny Mpaminany (S.A.W); ka nandrara lehilahy hitazona ny filahiny rehefa mipipy amin’ny tànany havanana, ar...
Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A) niteny hoe : Ny Mpaminany (S.A.W), dia mandro tamin'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy fatra, ary nanao ozo tami...
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nandro taorian'ny fahalotoana lehibe (Janaba) tamin'ny alàlan'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy "modd", ary nanao ozo tami...
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy eken’I Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetot...
Nambaran’ny Mpaminany (S.A.W) fa fepetra takina mba hahatomombana ny fivavahana swalat : dia ny fahadiovana, ka izay te hivavaka dia tsy maintsy manao...
Tatitra azo avy tamin'i Jàbir (R.A) niteny : Niteny tamiko i Omar bin Al-khatwab : Nisy lehilahy iray nanao ozò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho...
Nitatitra i Omar (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nahita lehilahy iray izay nahavita ozò, ka namela ampahany mitovy amin'ny halehiben'ny hoho eo amin...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Ayòb (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.” Hoy i Abo Ayob : “Rehefa tonga tany Shami izahay dia nahita ireo kabone namboarina nitodika tany amin'ny kiblat, ka novainay izany ary mangataka famelan-keloka tamin’I Allah Ilay Tsitoha.
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy eken’I Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin A'mro (R.A) niteny izy : Niverina niaraka tamin' Irak'Allah (S.A.W) izahay avy any Makkat ho any Madina, rehefa teny an-dàlana izay nahita rano ka nisy andian'olona nihazakazaka hanao soalat Asri, ka nanao ozò izy ireo tao anatin'ny fahamekana, ka tazanay izy ireo fa tsy lenandrano ny voditongotr'izy ireo, dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Loza ho any amin'ny afobe izay tsy nanasa ny voditongony ary ataovy tsara ny Ozò".
Tatitra azo avy tamin'i Àmrou bin Àmir, Tatitra azo avy tamin'i Annas bin Màlik niteny manao hoe : Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò isaky ny soalat Hoy aho hoe : Ahoana no nataonareo? Hoy izy : Ampy ho an'ny iray amintsika ny ozò anakiray raha mbola tsy namoaka loto.
Tatitra azo avy tamin'i Homràn, mpanampin’i O'thman bin 'Affàn, fa nahita an’i O'thman bin 'Affan nangataka zinga misy rano hanaovana Ozò izy, dia nandraraka ny rano tamin’ny tànany izy ary nanasa izany in-telo. Avy eo nampidiriny tao amin'ilay zinga ny tanany havanana, avy eo nanotsam-bava izy sy nampiditra rano amin'ny orony ary namoaka izany, avy eo dia nanasa ny tarehiny intelo, ary ny tanany hatreo amin’ny kiho intelo, dia nisafo ny lohany, dia nanasa ny tongony intelo, ka niteny izy manao hoe : Hitako ny Mpaminany (S.A.W) nanao ny ozò toy izao nataoko izao, ary niteny izy hoe : “izay manao ozò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha".