- Takina ny fanoloran-tena amin'ny famporosiana amin'ny tsara, sy fitarihan-dalana ny tsy mahalala sy ny tsy miraharaha, indrindra fa raha ilay zavatra ratsy mifandraika amin'ny fahasimban'ny fanompoana ataony.
- Tsy maintsy atao ny mandena ny rantsana manontolo rehefa manao ozò ary izay namela amin’ny ampahany – na dia kely aza – dia tsy manan-kery ny ozò nataony ary tsy maintsy mamerina izany izy raha lava ny elanelana.
- Ny maha-ara-dalàna ny fanaovana ozò araka ny tokony ho izy, amin'ny alàlan'ny famitana azy sy ny fanatanterahana izany amin'ny fomba tsara araka ny lalàna Sharia.
- Ny tongotra roa dia anisan'ny rantsana sasana amin'ny ozò, ary tsy ampy ny fisafona azy, fa tsy maintsy sasana.
- Takina amin'ireo rantsana sasana amin'ny ozò ny hanasna azy mifanesisesy, izany dia ny fanasana azy mialohan'ny haha maina ny teo alohany.
- Ny tsy fahalalana sy ny fanadinoana dia tsy manafoana ny adidy tsy maintsy atao, fa manafoana ny ota, Fa ity lehilahy izay tsy nanatanteraka tsara ny ozò-ny noho ny tsy fahalalany dia tsy namela azy ny Mpaminany (S.A.W), fa nandidy azy hamerina izany.