Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny ny Mpaminany (saw) nilaza manao hoe : “Raha nisotro amin’ny vilian'iray aminareo ny alika, dia ao...
Nasain'ny Mpaminany (S.A.W) ho sasana im-pito ny vilia raha nolelafin'ny alika, ka ny voalohany amin'izany dia miaraka amin'ny tany ka ny rano manarak...
Tatitra azo avy tamin'i Omar Bin Khattàb (RA) niteny : Niteny ny irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Raha miteny ny mpiantso amin'ny Azan hoe : Allaho Akb...
Ny Azan dia antso ho fampahafantarana ny olona fa efa miditra ny fotoam-bavaka, ary ny tenin’ny "Azan" dia teny feno mifono ny finoana. Ao amin'io...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro bin Al-À’si (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny...
Nanoro hevetra ho an'izay nandre ny mpiantso amin'ny vavaka ny Mpaminany (S.A.W) mba hamerimberina ao aoriany ary hiteny toy izay nolazainy, afa-tsy n...
Tatitra azo avy tamin'i Saa'd bin Abi Waqqàs (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha il...
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny rehefa mandre ny mpiantso “Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho”, izany hoe : Manamafy aho...
Tatitra azo avy tamin'i Abou houraira (R.A) niteny : Nisy lehilahy jamba nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Ry irak'Allaha ô, tsy manana m...
Nisy lehilahy jamba nanatona ny Mpaminany ka niteny hoe: Ry irak'Allah ô, tsy manana olona hanampy hitondra ahy amin'ny tànana ho any amin'ny moske ma...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny ny Mpaminany (saw) nilaza manao hoe : “Raha nisotro amin’ny vilian'iray aminareo ny alika, dia aoka ho sasany im-pito izany.”

Tatitra azo avy tamin'i Omar Bin Khattàb (RA) niteny : Niteny ny irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Raha miteny ny mpiantso amin'ny Azan hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, ka niteny ny iray aminareo hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, Avy eo miteny izy hoe : Ash-hado An-là ilàha Illal-làho, dia miteny indray hoe :Ash-hado An-là ilàha Illal-làho. Avy eo miteny izy hoe : "Ash-hado Anna Mohammadan Rasòlollàhi", dia miteny indray hoe : "Ash-hado Anna Mohammadan Rasòlollàhi". Avy eo miteny izy hoe : Hayya A'las-soalat, dia miteny indray hoe: Là haola wala kowwata Illa- billàhi. Avy eo miteny izy hoe : Hayya A'lal-Falàhi, dia miteny indray hoe : Là haola wala kowwata Illa- billàh Avy eo miteny izy hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, dia miteny indray hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, dia miteny izy hoe : Là ilàha Illal- llàho, dia miteny indray ao am-pony hoe : Là ilàha Illal- llàho, dia hiditra ny Paradisa izy".

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro bin Al-À’si (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy, dia hitahy azy impolo Allah, aorian'izany dia angataho amin’Allah ho ahy ny "wasìlat" fa izany dia toerana avo ao amin’ny Paradisa, tsy mendrika ho amin’izany raha tsy mpanompon’Allah iray ihany, ary manantena aho fa izaho no izy, ka izay mangataka amin’Allah ho ahy "wasìlat, dia hahazo ny fanelanelanakol".

Tatitra azo avy tamin'i Saa'd bin Abi Waqqàs (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho, wa anna mohammadan a'bdoho warasòloho, Radÿto billàhi Rabban Wabimohamadin Rasòlan wa Bil-Islami Dìnan, dia ho voafafa ny fahotany.

Tatitra azo avy tamin'i Abou houraira (R.A) niteny : Nisy lehilahy jamba nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Ry irak'Allaha ô, tsy manana mpitarika hitarika ahy ho any amin'ny moske aho, ka nangataka tamin'ny irak'Allah izy mba hivavaka any an-trano ka nomeny alàlana amin'izany izy, ary rehefa niala teo izy dia niantso azy indray i mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : “Maheno fiantsona (Azan) ve ianao? Hoy izy : “Eny.” dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “dia valio ny antso.”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Izaho dia nahare an'ilay Irak'allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy? Hoy izy : Tsy hisy loto tavela intsony eo aminy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W): “Toy izany ny vavaka dimy isan’andro, izay hamafan’I Allah ny ota.”

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi bin Maso’di (R.A) niteny izy: Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.” Hoy izy : Ireo no nambarany ahy, ary raha mbola nitady fanampiny taminy aho, dia nanampiany.

Tatitra azo avy amin'i O'thman (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy mpino silamo izay manatanteraka Swalat dimy, tsy ka manao ozò tsara, tamim-pahatahorana, fiankohofana tsara, dia hamafa ny ota vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany dia mandavan-taona.”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : "Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."

Tatitra azo avy tamin'i Amro bin Shoaib, azony tamin'ny rainy sy raibeny niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Didio hivavaka ny zanakareo rehefa feno fito taona, ary kapohy izy raha vao folo taona, ary saraho eo am-pandriany izy ireo”.

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : Nozaraiko roa ny soalat eo Amiko sy ny Mpanompoko, ary azon’ny mpanompoko izay angatahiny, ka rehefa miteny ilay mpanompo hoe : {Alhamdo lillàhi Rabbil-A'lamìne}, dia hoy Allah : Nisaotra Ahy ny mpanompoko, ary raha miteny izy hoe : {Ar-Rahmànir - Rahìm}, dia hoy Allah : Nidera Ahy ny mpanompoko, ary rehefa miteny izy hoe : "Màlik Yawmiddìn", dia hoy Allah : “Nankalaza Ahy ny mpanompoko. Ary miteny koa izy hoe : “Efa natolony ho Ahy ny momba azy rehetra”, dia rehefa niteny izy hoe : “iyyàka na'bodo wa iyyàka nastaì'n” Dia hoy Allah : “Izany no manelanelana Ahy sy ny mpanompoko, ary mpanompoko dia hahazo izay angatahiny, ka raha milaza izy : {Ihdinas-swiràtal-mostaqìm, swiràtal-lazìna an'amta a'laihim, ghairil-maghdòbi a'laihim wala-dwàllìn", dia hoy Allah hoe : Izany dia ho an'ny mpanompoko, ary ho azon’ny mpanompoko izay angatahiny".

Tatitra azo avy amin'i Boraida (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”.