Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy....
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay nanadino ny manao soalat tsy maintsy atao ka nivoaka ny ora fanaovana azy, dia tsy maintsy manafaingana sy mihaz...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy...
Manambara ny Mpaminany (S.A.W) ny momba ireo mpihatsaravelatsihy sy ny hakamoan'izy ireo amin'ny fanatrehana ny soalat, indrindra ny Icha sy ny Fajri,...
Tatitra azo avy amin'i Abo Awfa (R.A) niteny hoe : Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka ny irak’Allah (S.A.W), dia miteny hoe : “Samiallaho l...
Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka amin'ny soalat ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - izay midika hoe: Mandré...
Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) : i Mpaminany (S.W.A) dia miteny eo anelanelan'ny fiankohofana roa hoe : "Allahomma- ghfirlì, warhamnì, wa à'fi...
i Mpaminany (S.W.A) dia mangataka eo anelanelan'ny fiankohofana roa amin'ny Soalat amin'ireto fangatahana dimy izay tena ilain'ny mpino ireto, izay ma...
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy. Tsy misy fanoloana izany afa-tsy izany fanefana azy: {Ary atsangano ny soalat ho fahatsiarovana Ahy} [Tàhà: 14]."
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza. Efa saika handidy ny amin'ny fananganana ny soalat aho, avy eo handidy lehilahy iray hitarika ny olona amin’ny soalat, aorian'izany aho handeha ka misy lehilahy maro miaraka amiko mitondra kitay ho any amin’ny vahoaka tsy manatrika ny soalat ka hodorako amin’ny afo ny tranony.”
Tatitra azo avy amin'i Abo Awfa (R.A) niteny hoe : Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka ny irak’Allah (S.A.W), dia miteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - Henon’Allah izay nidera Azy, Ry Allah Tomponay ô! Ho Anao anie ny dera, mameno ny lanitra sy mameno ny tany, ary mameno ny rehetra ankotr'izany izay sitrany.
Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) : i Mpaminany (S.W.A) dia miteny eo anelanelan'ny fiankohofana roa hoe : "Allahomma- ghfirlì, warhamnì, wa à'finì, wahdinì, warzoqnì".
Tatitra azo avy tamin'i Hittan bin Abdollah Al-Raqashi, izay nilaza hoe : Izaho dia nivavaka niaraka tamin'i Abo Mosa Al-Ash'ari, ka rehefa teo am-pipetrahana izy, dia nisy lehilahy iray niteny hoe: "Nampitahaina ny vavaka amin'ny fahatsarana sy ny zakat." hoy izy : Rehefa vitan'i Abo Mosa ny vavaka dia lasa izy ka niteny hoe: Iza aminareo no niteny an'izao-sy-izao? Dia hoy izy : nifampijery ny olona, dia hoy izy : Iza aminareo no niteny izao-sy- izao? Nifampijery ny olona ka nilaza izy manao hoe : Angamba ianao ry Hitan no niteny an’izany? dia hoy izy : “Tsy nilaza izany aho, ary natahotra aho sao ho tabatabainareo amin’izany. Dia nisy lehilahy iray avy amin’ireo vahoaka niteny hoe: “Izaho no niteny azy, ary tsy ninia aho afa-tsy ny tsara ihany, dia hoy Abo Mosa: Tsy fantatrareo ve izay ho lazainareo eo amin'ny vavaka ataonareo? Nilaza sy nanazava taminay ny fomba amam-panao sy nampianatra anay ny vavakanay , ka nanao hoe: “Rehefa hivavaka ianareo dia ahitsio ny filaharanareo, ary aoka hitarika anareo ny iray aminareo, ka raha miteny izy hoe “Allaho Akbar” dia mitenena koa ianareo hoe “Allaho Akbar”, Ary raha niteny Izy hoe : “Ghairil- Maghdhôbi A'laihim Walà Dhàlìn” [Al-Fatihah: 7] ka mitenena avy hatrany ianareo hoe : Àmìne, hamaly anareo Allah, ka rehefa miteny hoe “Allaho Akbar” izy ka miondrika dia mitenena hoe “Allaho Akbar” ary mihondreha ihany koa ianareo, fa miondrika sy mitraka alohanareo ny imam. Dia hoy ny irak’Allah (S.A.W ): “Ka hoatran'izany foana foana", ary rehefa miteny izy hoe : "Samiallaho liman hamidah", dia lazao hoe : Allahomma Rabbanà Walakal-hamdo, dia maheno anao Allah. Satria Allah niteny tamin'ny lelan'ny Mpaminaniny hoe : Allah dia maheno izay midera Azy. Ary rehefa miteny izy hoe "Allaho Akbar" sy miankohoka dia mitenena : "Allaho Akbar" ary miankohofa ianareo, fa miankohoka sy mitsangana alohanareo ny Imam.” Dia hoy ny irak’Allah (S.A.W) : “tahaka izany foana foana", ary rehafa eo amin'ny fipetrahana famaranana, dia aoka ny iray aminareo hanomboka ny teniny manao hoe: "Attahiyato Lillahi waswalawato watwaybato; Assalamo a'laika ayohan Nabiyo warahmatollahi wabarakàtoho. Assalàmo alaina wa a'là Ibadillahi soalihina. Ash'hado An là 'ilaha illallaho wa Ash'hado anna Mohammadan abdohò warasòlohò".
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Mas'ond (R.A), Niteny manao hoe : Nampianatra ahy ny Tashahhod ny Irak'allah (S.A.W) tamin'izany ny tanako teo anelanelan'ny tanany, tahaka ny nampianarany ahy ny Sorah avy ao amin'ny kor’any: "Attahiyàto Lillàhi waswalawàto watwaybàto; Assalamo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo alaina wa a'là Ibadillahi swalihina. Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado anna Mohammadan a’bdohò warasòlohò". Amin'ny voambolana niarahan'izy roa nitatitra: " Ny tena marina fa Allah ilay Fiadanana (salam) fa rehefa mipetraka ny iray aminareo manao ny fivavahany, dia aoka hiteny manao hoe: Attahiyato Lillahi waswalawato watwaybato; assalàmo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo a’laina wa aa'la Ibadillahi swalihina, rehefa niteny izany izy dia ho azon'ny mpanompo mendrika rehetra ety an-tany sy any an-danitra ny hatsarana amin'ny fitenenana izany; Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado nna Mohammadan a’bdohò warasòlohò, orian'izany izy dia manao izay do'a tiany ho atao"