Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : “Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka nit...
Mitantara amintsika i Mpaminany (saw) : Momba ny lehilahy iray izay miara-miasa amin'ny olona tamin'ny trosa, na nivarotra zavatra tamin'ny trosa. Ary...
Tatitra avy tamin'ny Khawla Al-Answariou (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.W.A) niteny manao hoe : “Eny tokoa, misy amin'ny olona mampias...
Manazava i Mpaminany (S.W.A), fa misy amin'ny olona izay mandany ny volan'ny mpino silamo amin'ny fomba tsy ara-drariny ary maka izany tsy ara-drariny...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Niteny Allah manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak...
Nitatitra ny Mpaminany (S.A.W) fa niteny Allah ao amin'ny Hadith Masina (Al-qodsi) manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon’ny zanak’i Adama dia ampito...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Huorairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy...
Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay nifehy mandritra ny volana Ramadany tamin'ny finoana feno an'i Allah, ary mino ny maha voadidy ny fifehezana...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny manao hoe : Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro i...
Milaza i Abo Horaira (R.A) fa ny sakaizany dia ny Mpaminany (S.A.W) dia nanoro hevitra azy sy nanome azy zavatra telo ireto: Ny voalohany : fifehez...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : “Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah, ka rehefa nihaona tamin’I Allah izy dia namela ny helony tokoa I Allah.

Tatitra avy tamin'ny Khawla Al-Answariou (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.W.A) niteny manao hoe : “Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Niteny Allah manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia azy afa tsy ny fifehezana, Izy io dia ho ahy ary ny tenako no hamaly soa ny aminy. Ny fifehezana dia fiaro, Ka rehefa eo am-panatanterahana fifehezana ny iray aminareo, dia aoka tsy hitabataba na hiteny ratsy. Raha misy manompa azy na mitady ady aminy, dia akoa izy hilaza manao hoe: Izaho dia mifehy! Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fofon'aiko eo am-pelatànany : "Fa ny fofona ny fofom-bavan'ny mpifehy dia manitra lavitra mihoatry ny fofon'ny ranomanitra misk". Ary ny mpifehy dia manam-pifaliana anakiroa : "Rehefa hisakafo amin'ny hariva dia faly, ary rehefa hifanatrika amin'ny tompony amin'ny andro farany, dia ho faly noho ilay fifehezana nataony".

Tatitra azo avy tamin'i Abou Huorairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny manao hoe : Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako.

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (RA), Niteny Izy ka nanao hoe : Izaho dia naheno an'ny Mpaminany (saw) niteny manao hoe : " Izay nanao sy nanatan-teraka ny fivanianana masina( Hadjy) ho an'i Tompo Allah ka tsy nanao zavatra mirakitra fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any Aminy Izy, dia lasa tahaka ny Andro voalohany izay nahaterahan'ny Reniny Azy Izy amin'izany fotoana izany ."

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat, Hoy ireo mpiara-diany : Na dia ady masina aza? Namaly izy hoe : Eny! Na dia ady masina aza! Afa tsy hoe : Olona iray nivoaka niaraka tamin’ny harenany sy ny vatatenany namonjy ady masina ka tsy niverina intsony".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Al-Haora Al-Saadi nilaza hoe : Hoy aho tamin'i Hasan bin Ali (R.A) : “Inona no mba tadidinao avy tamin’ny irak’Allah (S.A.W)? namaly izy hoe : Ny zavatra tadidiko avy tamin'ny Irak'Allah (S.A.W) dia ny hoe : "Avelao izay mampiahiahy anao ka mankanesa any amin'izay tsy mampisalasala anao, satria ny fahamarinana dia fitoniana, ary ny lainga dia fisalasalana."

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Eny tokoa, tompo Allah dia mamela ny vahoakako amin'izay nobitsibitsin'ny fony, raha mbola tsy nanao na niteny izany izy."

Tatitra azo avy tamin'i Abou Hourairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny."

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Eny tokoa, fa saro-piaro Allah, ary saro-piaro ihany koa ireo mpino, fa ny fahasaro-piaron'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino izay zavatra voarara aminy."