Eny tokoa, fa saro-piaro Allah, ary saro-piaro ihany koa ireo mpino, fa ny fahasaro-piaron'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino izay zavatra voarara aminy
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Eny tokoa, fa saro-piaro Allah, ary saro-piaro ihany koa ireo mpino, fa ny fahasaro-piaron'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino izay zavatra voarara aminy."
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Explanation
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa saro-piaro sy mankahala ary tsy mankatia I Allah, tahaka ny mpino mahay saro-piaro sy mankahala ary tsy mitia, fa ny antony mahasaro-piaro an'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino silamo izay zavatra noraran'I Allah aminy toy ny; fijangajangana sy fanambadianamitovy taovam-pananahana ary ny fangalarana, ny fisotroana toaka, ary ny fahalotoam-pitondran-tena hafa.
Hadeeth benefits
Fitandremana amin'ny fahatezeran’I Allah sy ny famaizana avy Aminy raha voahitsakitsaka ny fandrarany.
Share
Use the QR code to easily share the message of Islam with others