Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo fahalalam-pomba tsy maintsy atao ho an'izay manatrika ny toriteny zoma dia ny mihaino ny mpitoriteny...
Tatitra azo avy tamin'i Imran Ibn Houswain (R.A) niteny : Nanana hemoroida aho, ka nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny fanaovana Swalat, ka hoy iz...
Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny fototra amin'ny fnaovana Soalat dia ny fitsanganana, afa-tsy amin'ny fotoana tsy ahafahana manao izany dia mipetrak...
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny soalat ato amin'ity moske-ko ity dia tsara noho ny soalat arivo ata...
Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) ny hasarobidin'ny soalat ao amin'ny moske-ny, ary tsara kokoa ny valisoa aminy noho ny swalat arivo any amin'ny moske...
Tatitra azo avy tamin'i Mahmòd bin Labìd (R.A) : Te hanamboatra moske i Othmàn bin Affàn, saingy tsy tian’ny olona izany, ary tian'izy ireo dia ny ham...
Naniry ny hanavao indray ny Moske an'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fomba tsara kokoa noho ny fanorenana voalohany i Othman bin Affan (R.A), saingy tsy...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Tsy misy fanomezana natao na navoaka amin'ny hafa ka lasa nampih...
Ny Mpaminany (S.W.A), dia manazava fa ny fanomezana sy famoahana ny harena na fananana dia tsy zavatra mampihena velively ny harena akory na dia kely...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao."
Tatitra azo avy tamin'i Imran Ibn Houswain (R.A) niteny : Nanana hemoroida aho, ka nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny fanaovana Swalat, ka hoy izy: "Manaova Soalat mitsangana ianao, fa raha tsy vitanao izany dia mipetraha, ary raha tena tsy vitanao dia matoria".
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny soalat ato amin'ity moske-ko ity dia tsara noho ny soalat arivo atao any amin'ny moske hafa, afa-tsy ny Moske Masina Al-Haram."
Tatitra azo avy tamin'i Mahmòd bin Labìd (R.A) : Te hanamboatra moske i Othmàn bin Affàn, saingy tsy tian’ny olona izany, ary tian'izy ireo dia ny hametrahana azy toy ny teo aloha, dia hoy izy : Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho niteny hoe: “Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Tsy misy fanomezana natao na navoaka amin'ny hafa ka lasa nampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny Mpanompo iray ny Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo Aminy, ary tsy misy Olona manetry tena eo anatrehan'i Tompo Allah afa-tsy hoe vonona hanandratra Azy avo i Tompo Allah ."
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy."
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Salam niteny hoe : Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W), dia nitangorona teo anatrehany ny olona rehetra, Ary nisy nilaza : Tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, naverimberin'izy ireo in-telo, ka tonga teo anivon'ny vahoaka aho mba hijery, ary rehefa nahita ny tarehiny aho dia fantatro fa tsy tarehin'ny mpandainga ny tarehiny, ary ny zavatra reko voalohany nolazainy dia ny hoe : “Ry olombelona, mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
Tatitra azo avy amin'i JABIR (r.a), fa niteny i mpaminany (saw) ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah ka nanao hoe : "Allah dia hamindra fo amin'izay olona miantra rehefa mivarotra, na mividy, na mitrosa."