Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny : Nanontany ny Mpaminany (SAW) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I All...
Nanontaniana momba ny fahotana lehibe indrindra ny Mpaminany (S.A.W) dia namaly hoe : Ny lehibe indrindra amin’izy ireo dia ny fanompoan-tsampy, dia n...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.a), ka Niteny i Mpaminany (saw) nanao hoe : "Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila...
Manambara atsika i Mpaminany (saw) fa i Tompo Allah Niteny ka nanao hoe : Fa Izy dia mahaleo tena ka tsy mila mpiara_miombona Aminy na dia kely aza, I...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ih...
Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny vahoakany rehetra dia hiditra ao amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay tsy manaiky! Hoy ireo mpanaradia az...
Tatitra azo avy tamin'i Omar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny hoe : Izaho dia naheno an'i Mpaminany (S.A.W) niteny : “ Aza mihoa_pefy amin'ny fiderana Ahy...
I Mpaminany (S.A.W) dia mandrara ny fihoaram-pefy sy fampitomboana ny fetra ara-dalàna amin'ny fiderana azy sy ny famaritana azy amin'ny famaritana na...
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny...
Mampahafantatra Atsika i Mpaminany (S.W.A) fa tsy feno ny finoan'ny mpino iray raha tsy ny fitiavany ilay irak'Allah no laharam-pahamehana noho ny fit...

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny : Nanontany ny Mpaminany (SAW) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao.” Hoy aho : “Lehibe tokoa izany.” Hoy aho hoe : Inona aorian'izany? Hoy izy : “Ny hamonoanao ny zanakao; noho ny fatahoranao sao hiara-mihinana aminao izy.” Hoy aho : Dia inona aorain'izany? Hoy izy : “Ny fijangajangana amin’ny vadin’ny namanao.”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.a), ka Niteny i Mpaminany (saw) nanao hoe : "Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany". hoy ireo mpanara-diany hoe : O! Ry Irakan'Allah ! Iza no mandà? dia hoy izy namaly hoe : "Izay rehetra mankatò Ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay rehetra nitsipaka ahy kosa dia efa anisan'ireo nandà".

Tatitra azo avy tamin'i Omar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny hoe : Izaho dia naheno an'i Mpaminany (S.A.W) niteny : “ Aza mihoa_pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Tompo Allah no sady Iraka avy Aminy ".

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny rainy sy ny zanany ary ny olombelona rehetra Aho.”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Avelaonareo aho amin'ny zavatra izay tsy natolotro anareo, fa tsy nisy afa-tsy ny fanontaniana sy ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpaminaniny no naharendrika ny vahoaka teo alohanareo , koa raha misy zavatra norarako anareo dia alaviro,fa izay nodidiko aminareo kosa dia ataovy arak'izay havitanareo azy".

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amr (R.a), fa tena marina i Mpaminany (saw) niteny ka nanao hoe : “Ampahafantaro ny olona ny avy aty amiko na dia andininy iray monja aza, ary tantarao ny momba ireo Zanak’Isiraely fa tsy misy tsiny ny amin'izany, ary na iza na iza minia mandainga ny amiko, dia aoka hanomana ny seza hipetrahany mandrakizay ao amin'ny Afobe".

Tatitra azo avy amin'i Al-Mikdàm ben Ma'diyakrab (R.D) Niteny : fa Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) : " Moave misy Olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga Aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika Ka izay hitantsika fa Halaly dia Ataontsika Halaly, ary izay hitantsika fa Haramo dia Ataontsika Haramo, Satria izay noraran'i Iraka mahafatokin'i Tompo Allah dia toy ny noraran'i Tompo Allah ihany izany ".

Tatitra azo tamin'i Aicha (R.A) sy Abdollah bin A'bbàs (R.A) niteny izy roa manao hoe : Rehefa nanakaiky ny fotoana hialan'ny Irak'Allah teto an-tany, dia nanomboka nanipy ny lamba teo amin'ny tavany Izy, ary rehefa nahatsapa semotra noho izany izy dia navoakany indray ny tavany, ary niteny izy raha mbola tamin'ny poziny io ihany hoe : “Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana” fampitandremana ny amin’izay nataon'izy ireo.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.a), Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : “ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana ".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (r.a),nilaza fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy Anareo ".

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny : Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommo Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.