Tatitra azo avy amin'i Mahmod Bin Labid (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanom...
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra atahorany indrindra amin'ny vahoakany dia ny fanompoan-tsampy kely, izany dia ny: fisehosehoana; manao asa n...
Nandrara i Mpaminany (S.W.A) ny fipetrahana eo ambonin'ny fasana.
Dia mbola nandrara ihany koa ny fanaovana Soalat eo amin'ny fasana, tahak'izany n...
Tatitra azo avy amin'i Abo Toalha (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny anjely dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sary."
Nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ny anjelin'ny famindram-po dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sarin'ny zavatra manan'aina. Izany dia...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona izay misy alika na lako...
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona manao dia miaraka amin'ny alika, na lakolosy mihantona amin'ny biby fitainge...
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (RA), Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) manao hoe : “ Manatona ny iray Aminareo i Satana ka Mite...
Mampahafantantra momba ny fitsaboana mahomby amin'ireo fanontaniana betsaka izay bitsibihin'i Satana amin'ny Mpino i Mpaminany (S.W.A). Dia hilaza i S...
Tatitra azo avy amin'i Mahmod Bin Labid (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana, Hiteny amin'izy ireo I Allah amin'ny andro farany
izay hahazoan’ny olona valisoa noho ny asany : Mandehana any amin’izay nisehosehoanareo teto an-tany ianareo, ary jereo raha mahita valin’asa avy amin’izy ireo ianareo?".
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (RA), Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) manao hoe : “ Manatona ny iray Aminareo i Satana ka Miteny manao hoe : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Koa rehefa tonga amin'izany izy, dia aoka hitady fiarovana amin’i Tompo Allah Ianao ary hitsahatra avy hatrany ".
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny izy : Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) : Niteny i Allah : Izay olona nifahavalo amin'olon-tiako dia efa niantso ady aminy Aho, ny zavatra izay farany tiako tanterahin'ny mpanompoko mba hanantonany ahy dia ireo zavatra nataoko didy aminy, ary tsy mitsahatra manantona ahy ny mpanompoko amin'ny alàlan'ny fanatanterahany ny fanompoana fanampiny mandrapaha hitiavako azy, rehefa mitia azy Aho dia Izaho no miaro azy : amin'ny sofiny izay hiainoany, sy ny masony izay ahitany, sy ny tànany izay hikapoany, ary ny tongony izay hamindrany, ka omeko izy raha toa ka mangataka amiko, ary Arovako raha mitady fiarovana amiko, tsy nisalasala na oviana na oviana aho tamin’izay ataoko tahaka ny fisalasalako amin’ny fanahin’ny mpino, izay mankahala ny fahafatesana, ary halako ny mikasika izany".
Tatitra azo avy tamin'i Al-Irbadhi Bin Sariya (R.A) niteny : Nitsangana teo aminay ilay Irak'I Allah indray andro, ka nampatsiahy tamin’ny fampatsiahivana izay nampatahotra ny fo, sy nahalatsa-dranomaso. Ka nisy ny niteny taminy manao hoe: ry Irak’I Allah! Toa fampatsiavana maka endrika ho fanomezam-beloma izy izany ka hanaro izahay, dia niteny izy hoe : “Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina, kaikero amin'ny vanginareo (fikiro mafy, aza avela), Ary mitandrema amin'ny zava-baovao noforonina, fa ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay miala amin’ny fankatoavana ary misaraka amin’ny vondron'ny maro ka maty, dia maty toy ny fahafatesan’ny olona tamin'ny fotoan'ny fahabadoana, ary izay miady eo ambany fanevan'ny hajambana, tezitra noho ny fokony, na miantso ady noho ny fokony, na manohana an'ady ny fokony ka maty, dia maty toy ny fahafatesana tamin'ny fotoan'ny habadoana (anaty fahaverezana), ary izay mikomy ny vahoakako, ka mamono ny olo-mendrika sy ny olon-dratsy ao aminy, ary tsy miraharaha ny mpino ao aminy, ary tsy mahatanteraka ny fanekena nifanaovany tamin'izay nanaovany izany (ireo olona tsy mpino eo ambany fiahian'ny mpino), ka dia tsy momba Ahy izy, ary Izaho tsy momba azy”.
Tatitra azo avy amin'i Ommo Salama (R.A) renin'ireo mpino silamo : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Hisy mpitondra ka ho fantatrareo sy tsy ho ankasitrahinareo, ka izay mahalala dia ho afaka madio (amin'ny fahotana, na fihatsarambelatsihy), ary izay tsy mankasitraka dia ho voavonjy (amin'ny fiarahana mitsokombakomba), fa izay mankasitraka sy manaraka kosa.” Hoy izy ireo : Tsy tokony ho vonointsika ve izy ireo? Hoy izy : “Tsia, raha mbola nivavaka izy ireo.”
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Omar (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka ho anontaniana amin'ny andraikiny. Ny mpitondra ny vahoaka dia tompon'andraikitra ary ho hanontaniana momba azy ireo, ary ny lehilahy kosa dia tompon’andraikitra amin'ny ankohonany ary ho hanontaniana amin’izy ireo, ary ny vehivavy dia tompon'andraikitra ny tranon’ny vadiny sy ny zanany, ary hanontaniana momba azy ireo, ary ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny, ary izy dia ho antontaniana amin'izany, noho izany : dia ianareo rehetra tompon'andraikitra ary ho hanontaniana amin'ny andraikinareo avy".