- Voarara ny manana alika, afa-tsy alika mpihaza, mpiambina na ampiasaina amin'ny fambolena.
- Ny fakana sary dia anisan’ny zavatra ratsy maharikoriko ny anjely, ary ny fisian’izy ireo eo amin’io toerana io no mahatonga ny tsy fisian'ny famindram-po, ary toy izany koa ny alika.
- Ny anjely izay tsy miditra amin’ny trano misy alika na sary dia ireo anjelin’ny famindram-po, fa ny mpiambina sy ny hafa izay manana anjara asa toy ny anjelin’ny fahafatesana kosa miditra ao amin’ny trano rehetra.
- Voarara ny manantona sarin'ny zavatra manan'aina eo amin'ny rindrina sy ny toerana hafa.
- Nilaza i Khattabi : Ny trano tsy idiran'ny anjely dia ny trano misy sary sy misy alika izay tsy azo ompina, fa tsy voarara kosa ny alika mpihaza, ilaina amin'ny voly, miandry ny biby fiompy ary ny sary ampiasaina amin’ny tsihy, ondana, ary zavatra hafa, dia tsy manakana ny fidiran'ny anjely izy ireny.