Tatitra azo avy amin'i JONDOB (R.a), izay niteny hoe : Izaho dia naheno tamin'ny Mpaminany (saw) dimy alina talohan'ny nahafatesany fa Izy niteny ka n...
Nolazain'ny Mpaminany (saw) ny anjara-toeram-boninahitra izay misy Azy eo anatrehan'i Tompo Allah, ary Izy tokoa dia tonga eo amin'ny toerana avo indr...
Tatitra azo avy amin'i Abou Al-Hayadj Al-Assadiou niteny : Hoy i Ali bin Abi Talib tamiko : Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Alla...
I Mpaminany (S.W.A) dia naniraka ny mpiara-dia aminy tsy hamela "sarivongana" - izany sarin'ny zavatra misy fanahy ara-nofo na tsy ara-nofo - raha tsy...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Massodi (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-p...
Nampitandrina ny amin'ny finoanoam-poana ny Mpaminany (S.A.W), satria izy io dia finoana zavatra re na hita, na vorona na biby, olona manana fahasemba...
Tatitra azo avy tamin'i Houssain (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) : “Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay...
Tatitra azo avy amin'i Anas bin Malik (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ila...
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fifindran'ny aretina izay ninoan'ny olona talohan'ny silamo, ka ny aretina dia mifindra amin'ny alalan'ny tenany iha...
Tatitra azo avy amin'i JONDOB (R.a), izay niteny hoe : Izaho dia naheno tamin'ny Mpaminany (saw) dimy alina talohan'ny nahafatesany fa Izy niteny ka nanao hoe : " Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza , Ka raha afaka nandray Olona natao ho sakaiza Aho amin'ity vahoako ity, dia mety noraisiko i Abo Bakri (R.a) ho sakaiza. Ka dia tena marina fa ireo vahoaka teo alohanareo dia nandray ny fasan'ireo Mpaminanin'izy ireo sy ireo Olona masina tamin'izy ireo ho toeram-pivavahana, ka eto Aho dia tena manakana Anareo ny amin'izany ".
Tatitra azo avy tamin'i Houssain (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) : “Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy, ary izay nanao fatotra ary nandeha amin'ny mpamantatra ny hoavy ka mino izay lazainy, dia efa nikomy ny zavatra nampidinina tamin'i Mouhammad (S.A.W)".
Tatitra azo avy tamin'i Zayd bin Khalid al-Johany (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nitarika Soalat Soubhy i Mpaminany (S.W.A) tao Hodaybiat taorian'ny filatsahan'ny Orana nandritry ny alina, rehefa tapitra izany dia nitodika tany amin'ny Olona Izy, ka dia Niteny hoe : " fantatrareo va inona no lazain'ny Tomponareo ? " Namaly Azy izy ireo ka nanao hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala, ka Niteny indray Izy ny hoe : " Misy amin'ireny Mpanompoko ireny tratra-maraina mino Ahy ary Mpikomy , Ka izay Niteny hoe : Nirotsaka amintsika ny Orana noho ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny indrafony, izany dia Mino Ahy ary tsy mikomy ny kintana, fa izay milaza hoe : Nohon'ny zavatra izany sy izany, ireny dia Mikomy Ahy ary mino ireny kintana ".
Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona".