- Voarara ny fitenenana : "Raha sitrak'Allah sy sitrakao", sy izay fiteny mitovitovy amin'izany, amin'ny fampiasana matoan-teny mpampitohy; satria izany dia teny sy voambolana shirk.
- Azo atao ny miteny : "Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrakao", sy izay teny mitovitovy amin'izany; Satria tsy misy fandrarana ny amin'izany.
- Fanamafisana fa Allah dia manana ny sitrapony, ary ny mpanompo dia manana ny sitrapony, fa ny sitrapon’ny mpanompo dia tsy maintsy manaraka ny sitrapon’Allah ilay Tsitoha.
- Voarara ny fampitambarana ny zava-boahary amin'ny sitrak'Allah na dia amin'ny fomba fiteny fotsiny aza.
- Raha mino ny mpiteny fa ny sitrapon'ny mpanompo dia mitovy amin'ny sitrak'Allah, mitovy amin'izany amin'ny fahafenoana sy tsy misy fetrany, na ny mpanompo manana sitrapo mahaleo tena, dia shirk lehibe izany, fa raha mino kosa izy fa ambany noho izany dia Shirk kely.