Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny hoe : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.W.A) niteny tato an-tranoko ity manao hoe : “Tompo Allah ô, izay nome...
Nangataka tamin'Allah (S.A.W) ho an’ ny Olona rehetra izay niandraikitra ny raharahan'ny mpino silamo, na kely na lehibe, ary izany andraikitra izany...
Tatitra azo avy tamin'i Tamiim Ad-dàri (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) dia manao hoe : "Ny finoana dia fananarana". Dia nanontany izahay hoe : Ho an...
Nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia mifototra amin'ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana, mba hanatanterahana izany araka ny nandidia...
Tatitra avy amin'i Aishat (R,D) Niteny ka nanao hoe : Namaky i Mpaminany (S.W.A) ny andininy Soratra masina hoe : { Hoa Alladhi 'anzal a'layk Alkit...
Namaky i Mpaminany (S.W.A) ilay andininy Soratra masina hoe : { Hoa Alladhi 'anzal a'layk Alkitàb minh àyàtom Muhkamat hunn 'umm Alkitàb wa'ukhar Mu...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Saï'd Al-Khodory (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : " Na iza na iza eo Aminareo ma...
i Mpaminany (S.W.A) dia mandidy Atsika amin'ny fanovana ny faharatsiana - ka izany dia izay rehetra noraran'i Tompo Allah sy ny Irany - arak'izay faha...
Tatitra azo avy amin'i No'man bin Bashir (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ohatry ny olona mijoro amin'ny lalànan'Allah sy izay tafalats...
Nanome ohatra ny Mpaminany (S.A.W) ho an'ireo izay manaja hatrany ny fefin'Allah, izay mifikitra amin'ny didin'Allah, mamporisika amin'ny tsara sy man...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny hoe : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.W.A) niteny tato an-tranoko ity manao hoe : “Tompo Allah ô, izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka nankasarotra izany tamin'izy ireo dia ankasaroto ihany koa ny momba azy, ary izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka mora sy tsotra tamin'izy ireo dia ankamorao ihany koa ny momba azy".

Tatitra azo avy tamin'i Tamiim Ad-dàri (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) dia manao hoe : "Ny finoana dia fananarana". Dia nanontany izahay hoe : Ho an'iza? Namaly izy hoe : Ho an'i Allah sy ny bokiny, ny Irany, ireo mpitarika ary ho an'ny vahoaka silamo tsy ankanavaka".

Tatitra avy amin'i Aishat (R,D) Niteny ka nanao hoe : Namaky i Mpaminany (S.W.A) ny andininy Soratra masina hoe : { Hoa Alladhi 'anzal a'layk Alkitàb minh àyàtom Muhkamat Hunn 'umm Alkitàb wa'ukhar Mutashàbihàt fa'amma Alladhin fÿ Qulubihim Zayghoun Fayattabio'na mà Tashàbah Minho-btigha' Alfitnat wabtigha' ta°wilihi, Wamà ya'lam ta°wilaho 'illa alllahu, Walrràsikhuna fil i'lm yaqolona àmanna bih qol kollon min i'ndy Rabbina wamà Yadhdhakkar 'illà ôlol al'albàbi } [Al i'mrän: 7] Niteny Izy hoe : Niteny ilay Irakan' i Tompo Allah (S.W,A) : " Koa raha Hitanareo izay manaraka andininy mitovitovy amin’izany, dia ireo no nolazain'i Tompo Allah, koa mitandrema amin’izy ireo ihany koa

Tatitra azo avy tamin'i Abou Saï'd Al-Khodory (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : " Na iza na iza eo Aminareo mahita zava-dratsy manadalo sy miseho, dia aoka Izy hanala sy hanova izany amin’ny Tànany, fa raha tsy vitany kosa ny hanova izany dia aoka hataony amin’ny Lelany, ary raha mbola tsy vitany ihany koa dia aoka hataony amin’ny Fony izany fanobana izany, ary izany no tena malemy sy ambany indrindra eo amin’ny Finoana ".

Tatitra azo avy amin'i No'man bin Bashir (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ohatry ny olona mijoro amin'ny lalànan'Allah sy izay tafalatsaka ao anatiny, dia toy ny andian'olona nandeha sambo ka nanao antsapaka; ka ny sasany nahazo ny toerana ambony ny sasany kosa eny ambany, Ka rehefa tia hahazo rano ireo aty ambany dia tsy maintsy miakatra amin'ny zareo any ambony, dia niteny izy ireo hoe : Maninona raha lavahantsika ato ambany amin'ny toerana misy atsika ity mba tsy hanelingelina zareo any ambonintsika, Ka raha navelan'ireo tany ambony hanao izay tiany hatao ry zareo dia samy rendrika avokoa, fa raha norarany kosa dia samy avotra daholo".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany, ary izay miantso amin'ny fahaverezana dia hahazo fahotana tahaka ny fahotana ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny fahotany".

Tatitra azo avy tamin'i Abi Mas’ond (R.A) niteny manao hoe : Nisy lehilahy tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Tsy manana fitoavam-pitaterana aho ka mba ento, hoy Izy : Tsy manana izany aho, ary nisy lehilahy iray niteny hoe : Ry Irakan'Allah ô ! Ambarako azy ny olona mety hitondra azy, Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay manoro làlana amin’ny tsara dia hahazo tahaka ny valisoa azon'ny manao izany ”.

Tatitra azo avy amin'i Sahl bin Sa'ad (R.A), Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : “Homeko an’ny lehilahy iray izay omen’Allah ny fandresena ity faneva ity rahampitso, izay tena mankatia an’Allah sy ny irany, ary tena tian’Allah sy ny irany”, hoy izy : ka natory ny rehetra ary manontany tena hoe iza no hahazo ny faneva, ka rehefa nifoha maraina ireo olona dia nakany amin'ilay Irak'Allah (S.A.W) ary ny rehetra dia samy naniry ny hotolorana ilay faneva. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Aiza i Ali bin Abi Toalib? Ka nisy nilaza hoe : Izy, dia manana olana amin'ny masony ry Irak'Allah, dia hoy izy : alefasonareo aty izy, ka noentina teo ary nirorany ny masony sy nivavaka ho azy ny Mpaminany (S.A.W) dia sitrana toy ny tsy narary izy, ka nomena azy ny faneva, dia hoy i Ali : Ry irak’Allah! Hiady amin’izy ireo aho mandra-pahatongan’izy ireo ho tahaka antsika? Dia hoy izy : “Tanteraho miadana izay nanirahana anao mandra-pidinanao any amin’ny toerana misy azy ireo, dia asao mba hanaraka ny finoana Islam izy ireo, ary lazao azy ireo ny zavatra takina amin'izy ireo momba ny fananany araka ny zon’Allah ao aminy, fa mianiana amin'Allah aho fa ny fitaritan'Allah ny olona iray noho ianao, dia tsara lavitra ho anao mihoatry ny rameva mena".

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) Niteny : Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Izay maka tahaka ny vahoaka iray dia toy izy ireo ihany koa. "

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny olona dia manaraka ny finoan'ny namany, koa aoka ny tsirairay aminareo hijery izay ho namany."

Tatitra azo avy amin'i Tamim Ad-Dari (R.A), niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity, miaraka amin'ny voninahitry mihaja na fahafaham-barakan'ny marefo, voninahitra hanandratan'I Allah ny finoana silamo, ary fanalam-baraka izay nampietry ireo tsy mpino.” Ary niteny i Tamim ad-Dari hoe : “Fantatro izany tao amin’ny fianakaviako, nomem-boninahitra izay nino, fa tratran'ny fahambaniana sy fandoavan-ketra kosa ireo tsy nino.

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe.