Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A), niteny manao hoe : Hoy ilay Irak'I Allah (S.A.W) tamin'ny marain’i Akaba, raha teo ambony ramevany izy : “Tsim...
Mitantara i Ibn Abbas (R.A) fa niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy tamin'ny andro fanaovana sorona ny marain'ny nitoraham-bato an'i Jamarat al-Akab...
Tatitra azo avy amin'i IBN MAS'ONDI (Ra), niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : "Rendrika ireo mpihoam-pefy", Naveriny in-telo izany teny izany.
Milaza i Mpaminany (SAW) mahakasika ny fahadisoam-panantenana sy ny fatiantok'ireo mahery fihetsika - noho ny amin'ny làlana diso sy tsy fahalalana i...
Tatitra azo avy tamin'i Abdi bin Hatim (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Nianjeran'ny fahatezerana ny Jiosy, ary very làlana ny Kristian...
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny Jiosy dia vahoaka izay nahatezitra an'Allah; Satria nahafantatra ny fahamarinana izy ireo nefa tsy nanao izany. Vaho...
Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (RD), Niteny ka nanao hoe : Izaho naheno an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) Niteny ka...
Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah dia nanoratra ny amin'ny antsipiriany ny anjaran'ny zavaboary tsirairay izay mbola hitranga eo a...
Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoud (R.D) : Niteny Taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : "...
Niteny i Ibn Massoud (R.D) fa hoe : Niresaka Taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) ary Izy tokoa no ilay marina mahafatoky amin'ny Teny...

Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A), niteny manao hoe : Hoy ilay Irak'I Allah (S.A.W) tamin'ny marain’i Akaba, raha teo ambony ramevany izy : “Tsimpony vatokely aho.” Dia nitsimpona vato kely fito ho azy aho, izany ny vato kely fitorahina ao Akaba, dia nataony teo amin’ny felatànany izy ireo ka niteny izy manao hoe : “tahak'ireto no hitorahanareo.” Ary hoy izy : “Ry olombelona, ​​mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana".

Tatitra azo avy amin'i IBN MAS'ONDI (Ra), niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : "Rendrika ireo mpihoam-pefy", Naveriny in-telo izany teny izany.

Tatitra azo avy tamin'i Abdi bin Hatim (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Nianjeran'ny fahatezerana ny Jiosy, ary very làlana ny Kristianina.”

Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (RD), Niteny ka nanao hoe : Izaho naheno an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : " Nosaratan'i Tompo Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona , ka hoy Izy nanao hoe : “ Ary eo ambonin’ny rano ny seza fiandrianany .”

Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoud (R.D) : Niteny Taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : mandritra ny Efapolo Andro sy alina, dia mbola tsiron’aina, avy eo miova ho lasa vaingan-dra Efapolo Andro aorian’izany, ary lasa tahaka ny nofon-kena maditidity Efapolo Andro manaraka, ka misy Anjely irahina ka manome fofon’aina Azy, ary asaina manoratra zavatra efatra dia : Ny anjarany, sy fe-potoana izay iainany, ny asa izay hataony (tsara na ratsy), ary ho anisan’ny ory sa olon-tsambatra. Misy Aminareo hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao am-Paradisa (araka ny fahitan’Olona azy), ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany ny asa izay nataony Iny ka manao asan’Olona hiditra ao anaty Afobe Izy, ka maty ao anatin’izany dia lasa tafiditra any amin'ny (Afobe). Ary misy Aminareo ihany koa hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao anaty Afobe, ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany izany dia manao asan’Olona hiditra ao amin'ny Paradisa Izy dia lasa tafiditra ao ".

Tatitra azo avy amin'i Ibn masond (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa. "

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : “Saron’ny fahafinaretana ny helo, ary saron’ny fahasahiranana ny Paradisa.”

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D), fa Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) fa nanao hoe : “ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Tompo Allah, dia naniraka an’i Anjely Jiborilo (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy Olona hiditra ao. Dia hoy i Tompo Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jiborilo, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny Olona fa dia hiditra ao avokoa.

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”

Tatitra azo avy tamin'i Aicha, Renin'ny mpino (R.A) niteny : Niditra tao amiko ny Irak'Allah (S.A.W) ka ny andri-tranoko, (na vata kely fitahirizan-javatra), nosaronako lamba misy sari-zavamananaina, ary nohony nahita izany izy, dia nongotany ary niova ny tarehiny, dia hoy izy hoe : “Ry Aisha, Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah". Hoy i Aisha : “Notapahinay ilay izy ary nataonay ondana iray na roa.”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Mianina aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Efa hidina eo aminareo ho mpitsara marina i zanak'i Maria, ka hanapaka ny hazo fijaliana, hamono ny kisoa, hanala ny hetra, ary hampamaro ny harena ka tsy misy handray azy intsony ny olona".