Tatitra azo avy tamin'i Abo Darda (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe: “Tsy hambarako anareo ve ny tsara indrindra amin’ny asanareo, izay ma...
Nanontany ireo mpanara-diany ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe: . Tianareo ve ny hilazako aminareo sy hampahafantatra anareo ny asa tsara indrindra, m...
Tatitra azo avy tamin'i Moaz Ibn Jabal niteny manao heo : Izaho niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny voyage, ka tafanantona azy aho indray andr...
Nilaza i Moaz : “Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho teny an-dàlana, ary indray andro dia nanakaiky azy aho raha nandeha izahay, ka hoy aho : Ry ir...
Tatitra avy amin'i Aishat (R.D) manao hoe : Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary...
Isan'ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.W.A) rehefa miakatra eo am-pandriana hatory amin'ny alina Izy dia manambatra ny Tànany roa - toy ny mangatak...
Tatitra azo avy tamin'i Shaddad bin Aosi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Lehiben'ny fangataham-pamelana dia ny fitenenana hoe : Allahoumma Anta R...
Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fangataham-pamelan-keloka dia misy teny tenenina, ary ny tsara sy ny lehibe indrindra amin'izany dia ny filazan'n...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Khobaib (R.A), niteny izy : Nivoaka tamin'ny alina be orana sy maizina izahay, nitady an'ilay Irak'Allah (S.A.W...
Miteny i Abdollah bin Khobayb (R.A) hoe : Nivoaka tamin'ny alina avy orana be sy maizina izy ireo hitady ny irak'Allah mba hitarika azy ireo hivavaka,...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Darda (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe: “Tsy hambarako anareo ve ny tsara indrindra amin’ny asanareo, izay madio indrindra eo imason’ny Mpanjakanareo, izay ambony indrindra eo amin’ny voninahitrareo ary tsara kokoa ho anareo noho ny famoahana volamena sy ny vola, ary tsara kokoa ho anareo mihoatra fifandonanareo amin'ny fahavalonareo ka tapahinareo ny vozony ary hotapahainy ny vozonareo?" Namaly izy ireo hoe : Eny dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Ny fahatsiarovana an’I Allah ilay Tsitoha”.

Tatitra azo avy tamin'i Moaz Ibn Jabal niteny manao heo : Izaho niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny voyage, ka tafanantona azy aho indray andro rehefa teo am-pandehanana, ka hoy aho : ry Irakin’I Allah lazao amiko asa izay mampiditra ahy ao anaty Paradisa sy manalavitra ahy amin’ny afo be, dia namaly izy (S.A.W) nanao hoe : "Efa nanontany zavatra lehibe tokoa ianao, ary izy io dia ho mora amin'izay nankamoran'I Allah azy, manompo an’I Allah ary aza manambatra Azy amin’ny hafa, manangana vavaka, manome Zakat, mifehy amin’ny Ramadany, sy manao fivahinianana masina. Avy teo izy (S.A.W) niteny hoe : tianao ny hambarako anao ireo varavaran'ny hasoavana : ny fifehezana dia fiarovana, ny swadaka dia mamafa ny fahotana, tahaka ny afo izay mamono ny rano, ny Swalat ataon’ny lehilahy amin’ny sasak’alina".Nilaza izy: ary avy teo izy namaky ny : “Miarina avy eo am-pandriany izy ireo…” hatramin’ny : “nataon’izy ireo” {Alsadjidah 16- 17} Aorian'izany izy dia niteny hoe : tianao ve ny hilazako aminao ny lohan'ny zava-drehetra sy ny andriny, ary ny faran-tampony? Eny ry Irakin’I Allah hoy aho, ny lohan'ny zava-drehetra dia ny silamo, ary ny andriny dia ny Swalat, ary ny faran-tampony dia ny ady masina, ary avy eo izy niteny hoe : Tianao ve ny hilazako aminao ny zavatra izay hazahoanao azy rehetra izany? Eny hoy aho taminy. Dia notazominy ny lelany no sady niteny izy hoe : Tazomy mafy ity. Dia hoy aho taminy : Tsaraina amin’izay niteneninay koa va izahay? Dia niteny izy nanao hoe : Ho very anao ny reninao ry Moaz, Moa ve ny handoroana ny tarehin’ny olona na ny oron'izy ireo ao anaty afo afa-tsy vokatry ny teny noteneniny?

Tatitra avy amin'i Aishat (R.D) manao hoe : Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy } avy eo dia safoIny izay rehetra tratran'izany amin'ny Vatany, atombony avy eo amin'ny Lohany sy ny Tarehiny, ary ireo faritra aloha amin'ny Vatany mantolo, ka Ataony in-telo avokoa izany.

Tatitra azo avy tamin'i Shaddad bin Aosi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Lehiben'ny fangataham-pamelana dia ny fitenenana hoe : Allahoumma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Ana Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdika Wa Wa'adika Mastatwa'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innahou La Yaghfirou Zounouba Illa Anta. Izay midika hoe : Tompo Allah o, Ianao no tompoko, Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Ianao, Ianao no nahary ahy ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao ato amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy ianao irery ihany. Hoy izy : “Ary izay miteny an’izany amin’ny antoandro am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny atoandro alohan’ny ahatongavan'ny hariva, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy, ary izay miteny an’izany amin’ny alina am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny alina alohan’ny ahatongavan'ny maraina, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy".

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Khobaib (R.A), niteny izy : Nivoaka tamin'ny alina be orana sy maizina izahay, nitady an'ilay Irak'Allah (S.A.W) mba hitarika ny fivavahanay, ka hoy izy : “ka hitako izy, dia niteny tamiko hoe : “Teneno”, fa tsy niteny na inona na inona aho. Avy eo niteny indray izy hoe : "Teneno" ka hoy aho: Inona no holazaiko? Hoy izy : «{Lazao hoe : Qol-howallàho Ahad}, izay midika hoe : Izy no Allah Tokana, sy Maw'izhatainy, in-telo isaky ny maraina sy hariva fa ampy hiaro anao amin'ny ratsy rehetra izany".

Arakan’ny petra-bolana Notaterin’ny Samorat ibn Jondob (R.d) Nilaza ka nanao hoe : Nilaza ilay Irakan’i Tompo Allah (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : " Ny Teny tena Tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra : Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloahy),fiderana anie hoan'i Tompo Allah (Alhamdo lillàhy), tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàhou), ary lehibe indrindra i Tompo Allah (Allah Akbar), tsy maninona na inona na inona amin’ireo no atombokao voalohany. "

Tatitra azo avy tamin'i Abou Ayòb (R.D), niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, dia Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo, dia toy ny nanafaka olona efatra amin'ny taranak'i Ismael".

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Teny roa maivana amin’ny lela, nefany tena mavesa-danja eo amin’ny mizana (vato-fandajana), ary tian’Ilay Be famindrampo: (Sobohànalloàhy wa Bihamdihÿ Sobohànalloahil- Andhìmo) Voninahitra anie ho an’i Tompo Allah Lehibe, Voninahitra ho an’i Tompo Allah ary ho Azy ny Dera ”.

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : "Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina".

Tatitra azo avy tamin'i Abi Màlik Al -Ach'ary (R.D) niteny : Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.S) ka naanao hoe : " Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : " Alehamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Tompo Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Tompo Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny Boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny Olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika Azy. "

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fitenenana Soubohànalloàhi, wale-hamdou Lillàhy, walà ilàha illal-làhoU, wallàho Akbaro, dia tiako lavitra mihoatrany andro niposahan'ny masoandro".

Tatitra azo avy amin'i JABIR (R.a) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (saw) niteny ka nanao hoe : " Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah) ".