Explanation
Nilaza i Moaz : “Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho teny an-dàlana, ary indray andro dia nanakaiky azy aho raha nandeha izahay, ka hoy aho : Ry irak’Allah! lazao ahy ny zavatra izay hitondra ahy any amin’ny Paradisa sy hanalavitra ahy amin’ny afo. Hoy izy namaly : Nanontany ahy momba ny asa lehibe hatao ho an’ny fanahy tokoa ianao, ary ho mora sy maivana izany ho an’izay namaivanin’I Allah izany; tanteraho ireo didin'ny finoana silamo :
Ny voalohany: Manompoa an'I Allah irery ihany ianao ary aza mampitambatra Azy amin'ny hafa.
Ny faharoa : Manatanteraka ireo vavaka tsy maintsy atao amin’ny andro sy ny alina : ny fajr, ny zohr, ny asr, ny maghrib ary ny isha, dia atao araka ny fepetra takina aminy sy ny andriny ary ireo zavatra tsy maintsy atao aminy.
Ny fahatelo : Ny famoahanao ny zakat tsy maintsy atao, izy io dia fanompoana tsy maintsy atao amin'ny harena rehetra izay mahatratra ny fetra voafaritra ao amin'ny lalàna omena ireo olona izay mendrika azy.
Ny fahefatra : Fifehezana Ramadany, dia ny fitazoman-tena amin'ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny zavatra hafa manapaka ny fifehezana miaraka amin’ny fikasana hanompo, manomboka amin’ny maraina ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro.
Ny fahadimy : Manatanteraka Haj miaraka amin'ny fikasana ho any Lameka mba hanao ireo fombafomba, ho fanompoana an'I Allah ilay Tsitoha.
Dia hoy izy (S.A.W) : Tsy hampahafantariko anao ve ny làlana mankany amin’ny varavaran’ny fahatsarana? Izany dia atao amin'ny fanarahana ireto adidy ireto miaraka amin'ny asa fanompoana an-tsitrapo :
Voalohany : Fifehezana an-tsitrapo, izay manakana ny olona iray tsy ho tafalatsaka amin’ny fahotana amin’ny alàlan’ny famotehana ny faniriana sy ny fampihenana ny hery.
Faharoa : Ny swadaka an-tsitrapo dia mamono ny ota vita rehetra, manala azy ary mamafa ny vokany.
Fahatelo : Ny vavaka Tahajjod amin'ny ampahatelony farany amin'ny alina, avy eo izy (S.A.W) namaky ny tenin'ny Tompo Allah manao hoe : "Miarina ny tavany" midika hoe : manalavitra "amin'ny fandriana" izany hoe : fandrina. “Miantso ny Tompony” amin’ny alàlan’ny vavaka , ny fahatsiarovana -zikr-, ny famakiana sy ny fitalahoana, {amim-pahatahorana sy amim-panantenana, ary dia mizara amin’izay natolotray ho azy izy ireo, Tsy misy ny mahafantatra izay nomanina ho azy ireo, ho fifalian’ny maso} Izany hoe ny fahasambarana izay hampifaly ny masony amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty sy any amin’ny Paradisa, {mba ho valisoan’izay nataon’izy ireo}.
Aorian'izany dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Tsy ampahafantariko anao va ny fototry ny finoana? Ary ny andry iankinany? Ary ny faratampony aminy?
Hoy i Moaz (R.A) : Eny, ry irak'Allah.
Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Ny lohan'ny raharaha : Ny finoana silamo, izany dia fijoroana vavolombelona roa, ary miaraka amin'izy roa ireo no ahazoan'ny olona ny fototry ny finoana. Ny andriny dia ny swalat, tsy misy ny finoana raha tsy misy ny swalat, toy ny trano tsy misy fototra. Ka izay nanao swalat dia mafy orina ny finoany sy niakatra; Ny faratampony sy ny haavony dia amin'ny alàlan'ny jiady sy ny fiezahana hiady amin'ny fahavalon'ny finoana mba hanandratana ny tenin'I Allah.
Avy eo dia nilaza izy (S.A.W) : Tsy ho lazaiko aminao ny fanamafisana sy ny fanatsarana izay voalaza etsy ambony? dia nihazona ny lelany ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny manao hoe : sakano ity ary aza miresaka izay tsy mahasoa anao. Ary hoy Moaz : Ho sazin'ny Tompontsika sy ho tsarainy va isika amin'izay rehetra lazaintsika?
Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Namoy anao ny reninao! Tsy Doan ratsy ho azy no tiana holazaina amin’izany fa tenin’ny Arabo mba hanairana azy amin’ny raharaha izay tokony ho nodinihiny sy ho fantany, avy eo dia hoy izy : Misy zavatra manipy ny olona ve ka ho lavo amin’ny tavan’izy ireo any amin’ny afo, afa-tsy ny fijinjana ny vokatry ny lelany avy amin’ny tsy finoana, fanaratsiana, fanompana, fanalam-baraka, fifosana, tatidresaka, fanendrikendrena sy ny toy izany?