Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa man...
Noraràn'ny Mpaminany (S.A.W) ny tokantrano tsy hanaovana swalat ka lasa ho toy ny fasana izay tsy hanavaon'ny olona Swalat. Avy eo i Mpaminany (S.W...
Tatitra azo avy amin'i Obay ibn Ka'b (R.D), Niteny ilay Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) fa hoe : " O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy tena leh...
Nanontanian'ny Mpaminany (S.W.A) i Obay ibn Ka'b momba ny andininy ao anatin'ny Bokin'i Tompo Allah, dia nisalasala Izy tamin'ny valiny, avy eo Izy di...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat...
Nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay mamaky andininy masina roa farany amin'ny Sourat Al-bakarat amin'ny alina, dia Tompo Allah hiaro azy amin...
Tatitra azo avy tamin'i No’màny ibn Bashìr (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fa...
Nambaran'ny Mpaminany (S.W.A) Amintsika fa ny fanompoam-pivavahana ny fitalahoana manao Hataka Douàn, ka tsy maintsy atao amin'ny Fo rehetra amin'i To...
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny : I Mpaminany (S.W.A) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra.
Mampahafantatra i Aicha (R.A) renin'ny mpino rehetra fa i Mpaminany (S.W.A) dia tena mifikitra amin'ny fahatsiarovana sy fiderana an'i Allah, ka izy d...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa mandositra ny trano namakiana ny Sorata Al-Baqarah i Satana.”

Tatitra azo avy amin'i Obay ibn Ka'b (R.D), Niteny ilay Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) fa hoe : " O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy tena lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'I Tompo Allah ? " Namaly Izy ka nanao hoe : Niteny Aho : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no Mahalala an'izany. Niteny Izy hoe :" O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah ? " Namaly Izy hoe : Niteny Aho : { Alloahou Là ilàha illà howal hay-youle- Qayuòmou } [Al-bakarat: 255]. Nilaza Izy ary nikapohiny kely ny Tratrako, ary Nilaza Izy hoe : " Hitoetra am-pahasambarana tsara ao Am-ponao anie ny fahalalana ry Abal-Monzhir ".

Tatitra azo avy tamin'i Abou Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany".

Tatitra azo avy tamin'i No’màny ibn Bashìr (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana”, ary namaky Izy nanao hoe : “ Ary hoy ny Tomponareo nanao hoe : ‘Antsoy Aho, fa dia hovaliako Ianareo, eny, ireo izay manao tsinontsinona ny fanompoana Ahy dia hiditra amin’ny helo amin’ny henatra.’” [Ghafir: 60].

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny : I Mpaminany (S.W.A) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra.

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Tsy misy mendri-kaja kokoa eo amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha mihoatra noho ny Fangatahana Douan. ”

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A), Niteny manao hoe : Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko.", dia hoy aho hoe : O ry irak'Allah! Mino an'I Allah izahay sy izay noentinao ka matahotra ny aminay ve ianao? Namaly izy (S.A.W) : “Eny, ny fo dia eo anelanelan’ny rantsantanan’I Allah roa ka avadibadiny arak'izay tiany".

Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Amrou Ibn Al-Aasi (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray Aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo ".

Tatitra avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Efa nanandrana ny tsiron'ny finoana izay nanaiky an'I Allah ho Tompony, ary ny silamo no finoany, ary i Mohammad no irak'Allah ho aminy"

Tatitra azo avy tamin'i Moaz bin Jabal (R.A) niteny hoe : Noraisin'i Irak'Allah (S.A.W) tamin'ny tànany aho ary niteny izy hoe : "Ry Moaz, mianiana amin'I Allah aho fa tena tiako ianao", avy eo dia niteny hoe : Mametraka hafatra aminao aho ry Moaz aza avela mihitsy isaky aorian'ny vavaka ny miteny hoe : "Allahoumma Aainni Alaa-Zikrika Wa shokrika Wahosni ibadatika".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Ny toerana izay tena ho hanakakaizan'ny Mpanompo iray amin'ny Tompony dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny fanaovana ny Soalat, ka habetsao indrindra ny Fangatahana ".

Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A), Niteny manao hoe : Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”.