Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo am...
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny loza sy ny fitsapana dia tsy misaraka amin'ny mpanompo lahy sy vavy, eo amin'ny tenany toy ny fahasalamany sy ny...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”.

Tatitra azo avy amin'i Sohaib (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany, raha ny zava-tsoa nahazo azy dia mankasitraka ka tsara ho azy izany, ary raha tra-pahorina dia miharitra ka tsara ho azy ihany koa".

Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa AL-AS'ARIO (r.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara ".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Afaingano amin'ny asa soa ny fitsapana tahaka ny ampahan’ny alina maizina. Ho mpino ny olona amin’ny maraina ka hivadika tsy mpino kosa amin'ny hariva, na ho mpino izy amin’ny hariva nefa lasa tsy mpino koa amin'ny maraina, mivarotra ny finoany amin’ny fahafinaretana eto an-tany".

Tatitra azo avy amin'i Mouawia (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : "Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana, ary izaho dia Mpizara fotsiny, fa i Allah no Mpanome, ary tsy hitsahatra velively ity vahoaka ity hitsangana amin'ny raharaha momba ny Allah ka tsy hampahory azy ireo izay mitsipaka azy ireo, mandrapahatongan'ny didin'i Allah ".

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala, na koa ho entina hahazoana toerana tsara, fa izay manao izany dia Afobo Afobe".

Tatitra azo avy amin'i Outhman (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny tsara indrindra aminareo dia ireo izay mianatra ny CORAN sy mampianatra izany amin'ny hafa".

Tatitra azo avy tamin'i Abi Abdor-Rahmàny As-Solamÿ (R.D) Niteny hoe : Nanambara Anay ireo izay nampianatra Anay mamaky ny Boky masina Koroany tamin'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) fa izy ireo dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan' i Tompo Allah (S.W.A), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha, ka Nilaza izy ireo hoe : Azonay ny fahalalana ary nataonay ny asa.

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Izay Olona namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny fa Izaho kosa tsy hiteny hoe : {Alif, Lam, Mim} ho litera iray, fa ny {Alif} dia litera ary ny {Lam} dia litera ary ny {Mim} dia litera ihany koa".

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Amro (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka manao hoe : “ Holazaina amin’izay Mpamaky ny Boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena Anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay Vakinao ”.

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.D), fa Niteny ilay Irakan' i Tompo Allah (S.W.A) nanao hoe : " Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy ?", Namaly Izahay hoe : Eny, Dia Niteny Izy nanao hoe : " Ny andininy telo izay vakin'iray Aminareo ao anatin'ny fivavahana Soalat dia tsara lavitra mihoatra ny Rameva lehibe sy matavy ".

Tatitra azo avy amin'i Abou Moussa Al-Ashariou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny ".