- Voadidy ny mifikitra amin'ny fivavahana ary mihazakazaka manao asa soa mialohan'ny hisian'ny sakantsakana.
- Milaza ny fifandimbiasan'ny fitsapana feno fitaka amin'ny fara-andro, ary isaky ny manjavona ny fitsapana iray dia misy fitsapana hafa manaraka azy.
- Raha malemy ny finoan’ny olona iray mahavita mandefitra ho takalon’ny zavatra eto an-tany toy ny vola na zavatra hafa, dia izany no lasa anton’ny fiviliany sy ny fialany amin’ny finoana ary mirony makany amin’ny fakam-panahy.
- Voaporofo ao amin’ny hadith fa ny fanaovan-tsoa dia fomba iray hahazoana fanavotana amin’ny fitsapana.
- Misy karazany roa ny fitsapana : ny fitsapana avy amin'ny fisalasalana ka ny fitsaboana azy dia ny fahalalana, ary ny fitsapanay avy amin'ny filàna ka ny fitsaboana azy dia ny finoana sy ny faharetana.
- Hita ao amin'ny hadith fa izay manao asa kely dia ho haingana kokoa ho azy ny fitsapana, ary izay miasa be dia tsy tokony ho voafitaka amin'izay ananany fa vao mainka mitombo.