- Anisan’ny famindram-pon’I Allah amin’ireo mpino mpanompony dia ny famafany ny fahotan’izy ireo eto an-tany noho fahavoazan'izy ireo ny loza eo aminy.
- Ny loza ihany dia mamafa ny fahotana raha toa ka mpino ilay olona, ka raha manam-paharetana ny mpanompo iray ka tsy tezitra dia hahazo valisoa.
- Famporosiana ny amin'ny faharetana amin’ny zavatra rehetra, amin’izay tiany sy halany, dia tokony hanam-paharetana izy mba hanatanterahany izay nandidian’I Allah, ary tokony hanam-paharetana mba hialany amin’izay voararan’I Allah, manantena ny valisoa avy amin’I Allah ary matahotra ny famaizany.
- Ny teniny hoe : “Amin’ny mpino lahy sy vavy”, ny teny "mpino vavy" fanampiny dia manaporofo ny fanamafisana bebe kokoa ho an'ny vehivavy, Raha tsy izany, raha nilaza fotsiny izy hoe : “amin'ny mpino”, dia ho anisan’izany ny vehivavy; Satria tsy voatokana ho an’ny lehilahy ihany izany, ka raha manjo ny vehivavy ny loza, dia ampanantenaina valisoa mitovy amin’izany koa izy amin’ny alàlan’ny famafana ny fahotana sy ny fahadisoana.
- Anisan'ny manamora ny hotsika manjo ny mpanompo isaky ny mihetsika, dia ny hatsarana azony vokatry ny loza nahazo azy.