- Valisoan'ny fankasitrahana amin'ny zava-tsoa sy fiharetana tamin'ny fahavoazana, ka izay manao izany dia hahazo hatsarana amin'ny tontolo anakiroa, ary izay tsy mankasitraka tamin'ny fahasoavana, sy tsy miharitra tamin'ny fahorina, dia very valisoa ary hahazo fahotana.
- Ny valisoan'ny finoana, ary ny valisoa amin'ny toe-javatra rehetra dia natao ho an'ny olon'ny finoana ihany.
- Ny fankasitrahana amin'ny zava-tsoa sy ny fiharetana amin'ny fahavoazana dia isan'ireo toetra mampiavaka ny mpino.
- Ny finoana ny lahatr'I Allah sy ny anjarany dia mahatonga ny mpino ho faly tanteraka amin'ny toe-piainany rehetra, tsy toy ny tsy mpino izay tsy afa-po sy tezitra rehefa misy fahorina mahazo azy, ary raha mahazo fahasoavana amin'I Allah dia ampiasainy amin'ny fankatoavana Allah ilay Tsitoha, mba tsy handaniam-potoana amin'ny tsy fankatoavana azy.