Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandosit...
Mandidy ny olona hanamaivana sy hanamora ny raharaha rehetra momba ny finoana sy ny fiainana eto an-tany i Mpaminany (S.A.W), Saingy ao anatin’ny fetr...
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny : Teo anatrehan'i Oumar izahy ka niteny izy hoe : "Voarara izahay fankasarotana".
Mampafantatra i Omar (RA) fa nandrara azy ireo i Mpaminany (S.W.A) amin'ny fandraisana vesatra amin'ny zavatra tsy misy antony, na teny izany na fihe...
Tatitra azo tamin'i Ibn Omar (RA), niteny ny Mpaminany (SAW) manao hoe: “Raha mihinana ny anankiray aminareo, dia aoka izy hihinana amin’ny tànany hav...
Ny Mpaminany (S.A.W) dia mandidy ny mpino silamo mba hihinana sy misotro amin'ny tànany havanana, ary manakana ny fihinana sy fisotroana amin'ny tànan...
Tatitra azo avy tamin'i Omar bin Abi Salama (R.A), niteny izy manao hoe : Zazalahy taizan'Irak'I Allah aho, ary nitsabatsabaka teo amin'ny vilia ny tà...
Mitantara i Omar bin Abi Salamah (R.A) zanaky ny vadin'ny Mpaminany (SAW) Om Salamah (R.A) - izay teo ambany fitaizana sy fanarahamasony- fa teo am-pi...
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanin...
Manazavana i Mpaminany (S.A.W) hoe : fa ny fisaoran’ny mpanompo ny Tompony noho ny fahasoavany sy ny fitahiany dia iray amin’ireo zavatra hahazoany fa...
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra".
Tatitra azo tamin'i Ibn Omar (RA), niteny ny Mpaminany (SAW) manao hoe: “Raha mihinana ny anankiray aminareo, dia aoka izy hihinana amin’ny tànany havanana, ary raha misotro izy, dia aoka hisotro amin’ny tànany havanana; saria ny Satana dia mihinana amin’ny tànany havia sy misotro amin’ny tànany havia.”
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanina ka misaotra azy noho izany, na rehefa misotro zava-pisotro ka midera azy amin'izany".
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : I Mpaminany (S.A.W) rehefa mievina dia mametraka ny tànany - na lamba - eo amin'ny vavany - na mampihena - ny feony.
Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W,A) manao hoe : " Marina tokoa fa i Tompo Allah dia mitia ny fanatanterana ireo fanamaivanana izay nomeny, toy ny fitiavany fanatanterahana ireo didiny napetrany ".
Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri (R.A) sy i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."