- Fandrarana ho an'izay nihinana tongolo gasy na tongolo na poarô tsy hiditra ny moske.
- Anisan’ireny zavatra ireny ny zava-drehetra misy fofona ratsy manelingelina ny mpivavaka, toy ny fofona setroka (sigara), paraky, sy ny toy izany.
- Ny fofona no anton'ny fandrarana, ka raha manjavona izany noho ny fandrahoana azy maharitra na noho ny antony hafa; dia miala ny fankahalana izany.
- Tsy tsara ny mihinana ireny zavatra ireny ho an'ireo izay tsy maintsy manatrika soalat ao amin'ny moske. Mba tsy hahavery ny mpiangona ao amin'ny moske, raha tsy mihinana izany izy mba hisorohana ny fanatrehana, ka amin'izay dia voarara izy.
- Fanakan-tenan’ny mpaminany (saw) ny fihinana tongolo gasy sy ny toy izany tsy noho ny fandrarana izany, fa noho izy firesahany tamin'ny anjely Jibril.
- Ny fampianarana tsaran'ny Mpaminany (S.A.W) raha ampifandraisiny amin'ny fanazavana ny anton'ilay didy; manome toky ny mpandray anjara amin'ny fahalalana ny fahendrena.
- Hoy ny AL-QÀDI : Nampitahain’ny manam-pahaizana tamin’ny fivoriam-bavaka ankoatry ny moske izany, toy ny fanatrehana Soalat Eid, ny fandevenana, ary ny fivoriam-pivavahana mitovitovy amin’izany, ary koa ny fivoriam-pahalalana, ny fahatsiarovana, ny fanasambe sy ny toy izany, fa ny tsena sy ny toy izany dia tsy tafiditra anatiny.
- Hoy ny manam-pahaizana : Ity hadith ity dia porofo milaza fa ny fihinanana tongolo gasy sy ny toy izany dia voarara tsy hiditra ao amin'ny moske - na dia foana aza - satria toeran'ny anjely izany, ary araka ny hevitr'ireo hadith amin'ny ankapobeny.