- Anisan’ny fomba fanao amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanononana ny anaran'Allah eo am-piandohana.
- Fampianarana ireo fahalalam-pomba ho an' ny ankizy, indrindra fa ny ankizy izay eo ambany fiahian'ilay olona.
- Ny fahatsoran'ny Mpaminany (S.A.W) sy fivelaran'ny fony amin'ny fampianarana ireo ankizy sy fanabeazana azy ireo mba hahalala fomba.
- Anisan'ny fomba fanao amin'ny fisakafoanana ny mihinana amin'izay eo anoloany ny olona iray, afa-tsy hoe karazany maro samihafa ilay sakafo, ka amin'izany dia azony atao ny maka amin'izany.
- Ny mpiara-dia (Sahàbat) dia nifikitra tamin'ny fahalalam-pomba nampianarin'ny Mpaminany (S.A.W), azy ireo, ary izany dia azo tsoahina avy amin'ny tenin'i Omar manao hoe : Dia tahaka izany foana ny fomba fihinanako taorian'izany.