- Ny finoana dia misy hamamiana sy tsiro izay andramana amin'ny fo, tahaka ny hamamin’ny hanina sy ny zava-pisotro andramana ao am-bava.
- Ny vatana dia tsy mahatsapa ny tsiron-kanina sy zava-pisotro raha tsy rehefa salama, ary toy izany koa ny fo raha afaka amin’ny aretin’ny fanirian-dratsy sy ny filàna voarara, dia mahita ny hamamin’ny finoana, fa rehefa marary ny fo dia tsy hahatsapa ny hamamian'ny finoana, ary mety hihevitra ny faniriana sy ny fahotana izay manimba azy.
- Raha afa-po amin’ny zavatra iray ny olona ka mankasitraka izany, dia ho mora aminy ny raharahany, ary tsy hisy ny sarotra aminy ny fanatanterahana azy, ary ho faly izy amin’izay rehetra nentiny, ary hifangaro amin'ny fifalina ny fony. Ary toy izany koa ny mpino, raha miditra ao am-pony ny finoana, dia ho mora aminy ny fankatoavana ny Tompony ary hahazo tsiro izany ny fanahiny, ary tsy havesatra aminy ny fahasarotany.
- Nilaza i Ibn al-kayyim : Ity hadith ity dia ahitana ny fahafaham-po amin'ny maha-tompo Mpahary Azy, sy amin'ny maha Tompo tompoina Azy, ary fahafaham-po amin'ny irak'Allah sy fanekena azy ary ny fahafaham-po amin'ny finoany sy miambany aminy.