- Ny fiambanin'ny Mpaminany (S.A.) amin'ny Tompony sy ny fitalahoany Aminy ary ny fitarihana ny vahoaka mba hangataka toy izany.
- Ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana sy ny fitsatohana ao amin'ny finoana, ary ny fihafarana no tena zava-dehibe.
- Ny mpanompo dia tsy mahaleo-tena amin'ny fanamafisan'I Allah azy amin'ny finoana silamo na dia indray mipi-maso aza.
- Famporisihana amin'ny famerenana im-betsaka io fitalahoana io, ho fakan-tahaka ny Mpaminany (S.A.W).
- Ny fikirizana amin'ny finoana silamo no fitahiana lehibe indrindra tokony hiezahan'ny mpanompo sy hisaorany ny Tompony noho izany.