- Ny fahatsiarovana an’I Allah Ilay Tsitoha tsy mitsahatra, na ivelany na anatiny, dia isan'ireo fanompoana lehibe sy mahasoa indrindra eo anatrehan’I Allah.
- Ny asa rehetra dia natao ho fanamafisana ny fahatsiarovana an'I Allah Ilay Tsitoha, miteny Allah manao hoe : (Ary manaova vavaka ianao ho fahatsiarovana Ahy). Ary hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Tsy natao ny fihodidinana ny Ka'aba sy ny fihazakazahana eo anelanelan'ny Safa sy Marwa ary ny fitoraham-bato afa-tsy hampijoroana ny fahatsiarovana an'I Allah ihany. Notantarain' i Abo Daod sy Tirmidhi.
- Nilaza i Izz bin Abdol Salam ao amin'ny fitsipika napetrany manao hoe : Ity hadith ity dia manondro fa tsy miankina amin'ny haavon'ny asa soa amin'ny fanompoana rehetra ny valisoa, fa Allah dia mety hamaly soa bebe kokoa amin'ny asa kely noho ny asa betsaka, ny valisoa dia miankina amin'ny fahasamihafan'ny laharana amin'ny voninahitra.
- Nilaza i Manawi ao amin'ny Fayd al-Qadir : Ity hadith ity dia midika fa ny fahatsiarovana dia tsara kokoa ho an'ireo izay olona niresahana azy, ary raha olona sahy sy matanjaka no niresahina, izay hahazoana tombony amin'ny finoana silamo amin'ny alàlan'ny ady, dia ny ady no nolazaina taminy, na ny manan-karena izay mahasoa ny mahantra dia nolazaina taminy ny famoaham-bola, ary ny olona afaka manao Hajj dia nolazaina taminy ny Hajj, na izay manana ray aman-dReny dia nolazaina taminy ny fanasoavana azy roa, ary amin’izany no hisian'ny fifandraisana eo amin'ny samy fanambarana.
- Ny fahatsiarovana feno indrindra dia izay nitononon'ny lela ary banjinin'ny fo, aorian'izay dia ny ao am-po irery toy ny fisainana, manarak'izany dia ny eo amin'ny lela ihany, ary samy misy valisoa daholo izany, raha sitrak'I Allah..
- Ny fifikiran'ny mpino silamo ireo Azkar mifandray amin'ny toe-piainany, toy ny tonom-bavaka vakina amin'ny maraina sy ny hariva, ny fidirana sy ny fivoahana ny moske, ny trano, ny trano fidiovana, ary ny hafa ankoatr'izany, dia mahatonga azy ho isan'ireo izay mahatsiaro an'I Allah matetika.