Ny Teny tena Tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra : Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloahy),fiderana anie hoan'i Tompo Allah (Alhamdo lillàhy), tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàhou), ary l...
Arakan’ny petra-bolana Notaterin’ny Samorat ibn Jondob (R.d) Nilaza ka nanao hoe : Nilaza ilay Irakan’i Tompo Allah (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : " Ny Teny tena Tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra : Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloahy),fiderana anie hoan'i Tompo Allah (Alhamdo lillàhy), tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàhou), ary lehibe indrindra i Tompo Allah (Allah Akbar), tsy maninona na inona na inona amin’ireo no atombokao voalohany. "
Notantaraiin'i Moslim
Explanation
Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny Teny tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra :
Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloaho): Midika izany fa hoe : Fampiatahama sy Fampisitahana tanteraka an'i Tompo Allah amin’izay rehetra mirakitra ny tsy fahampiana rehetra.
fiderana anie ho an'i Tompo Allah (Alhamdou Lillàhy) : izany dia Fidokana an'i Tompo Allah amin’ny fahafenoany sy ny fitiavana Azy ary filazana halebeazany
tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàho): izany hoe : tsy misy mendrika tompoina ampahamarinana afa tsy i Tompo Allah.
Lehibe indrindra i Tompo Allah (Allah Akbar): midika izany fa hoe : Avo sy Lehibe ary mafy indrindra noho ny rehetra
Marina tokoa ny fahasoavana Aminy na koa fazahoana fahasoavana avy Aminy tsy mitaky ny fandaharana izany amin’ny fanononana.
Hadeeth benefits
Famoran’ny lalàna, Satria tsy maninona na iza amin'ireo Teny ireo no hanomboana
Share
Use the QR code to easily share the message of Islam with others