Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy m...
Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny fahasoavan'i Tompo Allah lehibe eo amin'ny Mpino sy ny fahamarinany amin'ireo tsy Mpino. Fa ny Mpino kosa dia tsy mihe...
Tatitra azo avy amin'i Anas bin Malik (R.A) niteny : Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho nilaza manao hoe niteny Allah Ilay avo indrindra : Ry zanak’i Ad...
Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) ao amin’ny Hadith kodsi hoe : Ry zanak’i Adama, raha mbola miantso Ahy sy manantena ny famindram-poko ianao, ary tsy ki...
Ny Mpaminany (S.W.A), dia mitantara avy amin'ny Tompony fa raha misy mpanompo manao fahotana ka miteny hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, dia mi...
Tatitra azo avy tamin'i Ali (R.A) niteny hoe : Izaho rehefa mandre Hadith avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) nosoavin'i Allah aho amin'izany araka ny hitia...
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy mpanompo nanota, ka manao ozò tsara, avy eo mitsangana manao soalat roa raka't miaraka amin'ny fikasana hibeba...
Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa Al-Ashari (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny...
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah Ilay Tsitoha dia manaiky ny fibebahana avy amin'ny mpanompony. Raha manota amin’ny antoandro ny mpanompo ka mibeb...
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra ”, Fa ny Olona tsy Mpino kosa, dia vokisana ny asa soa nataony ho an’i Tompo Allah teto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any an-koatra, dia tsy manana asa soa homena Azy intsony rehefa tonga any Izy ”.
Tatitra azo avy amin'i Anas bin Malik (R.A) niteny : Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho nilaza manao hoe niteny Allah Ilay avo indrindra : Ry zanak’i Adama, raha mbola mangataka amiko sy manantena Ahy ianao, dia hamela anao Aho ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra ny fahotanao, ary avy eo nangataka famelan-keloka tamiko ianao, dia havelako ny helokao, ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha manatona Ahy miaraka amin’ny fahotana eran’ny tany ianao, ary avy eo nifanena tamiko ka tsy nampiombona Ahy tamin'ny zavatra hafa, dia hitondra famelan-keloka mitovy velarana ami'izany ho anareo Aho”.
Tatitra azo avy tamin'Abou Huraira (RA) Azo avy tamin'ny Mpaminany (S.W.A), araky ny notantarainy avy tamin'ny tompony manao hoe : "Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, ataovy izay tianao atao fa efa navelako ny fahtoanao".
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany, avy eo izy dia miteny manao hoe : "Iza no miantso Ahy ka hovaliako? Iza no mangataka amiko ka homeko? Ary iza mangatam-pamelana amiko fa hamela azy aho?".
Tatitra azo avy tamin'i No'màny Ibno Bashìro (R.A) nilaza hoe : Reniko fa i Mpaminany (S.W.A) milaza - Natsangan'i No'màn teo amin'ny Sofiny ny Rantsantanany Roa. " Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : “Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) niteny : Tao aorian'ny Mpaminany (S.W.A) aho indray andro dia niteny izy manao hoe : " O ry ankizy! hampianariko teny maromaro ianao : Arovy Allah dia hiaro anao Izy; Arovy Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka ianao dia mangataha amin'Allah; raha hangata-pitahiana kosa ianao dia mangataha fitahiana amin'Allah; ary fantaro fa na dia hitambatra aza ny vahoaka rehetra hanasoa anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanasoa anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra izay efa nosoratan'Allah ho azonao; ary raha hitambatra izy ireo mba hanisy ratsy anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanao ratsy anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra efa nosoratan'Allah hanjò Anao; efa nampiakarina ny penina, ary efa maina ny takelaka ".
Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".