- Fototry ny fivavahana dia ny finoana an’I Allah amin'ny maha-tompo Azy, ny maha-Zanahary Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany.
- Ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana aorian'ny finoana, ary ny fanohizana ny fanompoana sy ny fifikirana amin’izany hatrany hatrany.
- Ny finoana no fepetra mahavoaray ny asa.
- Ny finoana an’I Allah dia mandrakotra ireo zavatra tsy maintsy inoana amin’ny foto-pinoana sy ny fototra ao aminy, ary izay manaraka izany amin’ny asan’ny fo, sy ny fanekena sy milavolefina tanteraka amin’I Allah, any anatiny na ety ivelany.
- Ny fahitsiana dia ny fifikirana amin'ny làlan-kizorana, amin’ny alàlan'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fialana amin’ny Izay voarara