- Ny fanekena ny fibebahana dia mitohy hatrany raha mbola mivoha ny varavarany, ary mihidy ny varavarany rehefa miposaka avy any andrefana ny masoandro, ary raha mibebaka ny olona iray alohan’ny ora farany hialan'ny fofonainy, izy io dia ny fahatongavan’ny fanahy eo amin’ny tenda.
- Tsy tokony ho kivy na very hevitra noho ny fahotana, fa malalaka ny famelan-keloka sy ny famindrampon’I Allah, ary misokatra ny varavaran’ny fibebahana.
- Fepetra ny fibebahana : Ny voalohany : fialàna amin'ny fahotana, ny faharoa : fanenenana tamin'ny fanaovana azy, ary ny fahatelo : manapa-kevitra ny tsy hiverina amin’izany intsony, izany raha toa ka tamin'ny zon’I Allah no niharan'ny ota, ary raha mifandray amin’ny zon’ny mpanompo kosa, dia tsy maintsy averina amin'ny tompony izany zo izany ho mariky ny maha-marina ny fibebahana, na koa namela azy ilay manan-jo.