- Ny haben'ny famindram-pon'I Allah Tsitoha sy ny famelan-kelony ary ny fahasoavany.
- Ny hasin'ny fanokanana an'I Allah, ary Allah mamela n'y fahotan'ireo mpanokana azy.
- Ny loza ateraky ny fanompoan-tsampy ary Allah dia tsy mamela ny mpanompo sampy.
- Nilaza Ibn Rajab : Ity hadith ity dia ahitana ireo antony telo ahazoana famelan-keloka : ny voalohany : ny fitalahoana miaraka amin'ny fanantenana, ny faharoa : ny fikatsahana famelan-keloka sy ny fibebahana, ny fahatelo : ny fahafatesana ao anatin'ny fanokana an'I Allah.
- Io hadith io dia notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) avy amin'ny Tompony, ka antsoina hoe Hadith AL-kodossi (masina) na koa tenin'I Allah, satria avy amin'I Allah ny teny sy ny heviny, saingy tsy feno ao aminy ireo zavatra mampiavaka ny Kor'any, izay tsy itovizany tanteraka amin'ny hafa, toy ny fanompoam-pivavahana amin'ny famakiana azy, ny fidiovana rehefa handray azy, ny fanamby ao aminy, ny fahagagana, sy ny hafa ankoatr'izany.
- Misy karazany telo ny ota : Ny voalohany : ny fanompoan-tsampy; izany dia tsy hamelan'I Allah. Niteny Allah ilay Tsitoha hoe : {Izay mampitambatra fanompoana an'I Allah amin'ny hafa dia noraran'I Allah ho azy ny Paradisa}, Faharoa : Ny fanaovan'ny mpanompo tsy rariny amin'ny tenany noho ny fahotana sy ny fandikan-dalàna nataony tamin'ny Tompony, dia hamela izany Allah raha sitrany. Fahatelo : Fahotana izay tsy misy amelan'I Allah mihitsy ny aminy, izany dia ny tsy rariny ataon’ny mpanompo amin’izy samy izy, ka tsy maintsy ilaina aminy ny vali-faty.