Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany, avy eo izy dia miteny manao hoe : "Iza no miantso Ahy ka hovaliako? Iza no mangataka amiko ka homeko? Ary iza mangatam-pamelana amiko fa hamela azy aho?".
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Explanation
Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa i Allah ilay Avo Tsitoha dia midina amin'ny lanitra voalohany isan'alina rehefa tonga ny ampaha-telo farany amin'ny alina iny, ka mamporisika ny mpanompony rehetra mba hangataka Aminy satria hamaly an'izay mangataka Aminy Izy, ary mamporisika azy ireo hangataka Aminy izay rehetra tiany fa Izy dia hanome an'izay rehetra mangataka aminy. Mamporisika azy ireo Izy mba hangataka famelan-keloka Aminy, satria mamela ny mpanompony mahatoky Izy.
Hadeeth benefits
Fahasoavan'ny ampaha-telo farany amin'ny alina sy ny fanatanterahana ny Soalat ary fangatahana Doa'n sy ny famelan-keloka mandritra izany.
Rehefa mandre io hadith io ny olona iray dia tokony hahay hanararaotra ny fotoana hamaliana ny fitalahoany.
Share
Use the QR code to easily share the message of Islam with others