Explanation
Ny Mpaminany (S.W.A), dia mitantara avy amin'ny Tompony fa raha misy mpanompo manao fahotana ka miteny hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, dia miteny i Allah ilay avo Tsitoha manao hoe : Ny Mpanompoko dia manota, ary Izy mahalala sy mahafantatra fa manana Tompo Mpamela heloka, ka saronany sy fafany izany, na koa mety manasazy azy, dia namela Azy Aho. Ka niverina nanota indray ilay mpanompo ka niteny hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, hoy i Tompo Allah manao hoe : Ny Mpanompoko dia manota, ary Izy mahalala fa manana Tompo Mpamela ny heloka, ka dia ho saronany na hofafany na manasazy azy, dia namela ny heloka ny mpanompoko Aho. Ka mbola niverina nanota indray ilay Andevo dia Niteny ka nanao hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, ka hoy i Tompo Allah ilay avo Tsitoha : Ny Mpanompoko dia manota, ary Izy mahalala sy mahafantatra fa manana Tompo Mpamela heloka, ka dia manarona izany Izy ka tsy mamafa izany, na manasazy Azy, dia namela ny heloka ny Mpanompoko Aho. Avelako Izy hanao izay tiany, raha mbola manao ota isaky ny miala amin'ny fahotana izy, manenina, ary manapa-kevitra ny tsy hanao izany intsony, fa ny tenany no mandresy Azy ka latsaka amin'ny fahotana indray Izao, dia manota Izy ka mibebaka, dia havelako ny helony, fa ny fibebahana dia mandrava izay teo alohany.