Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy : Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'z...
Isaky ny te-hiditra amin'ny toerana fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) na hipiy na hamoaka maloto dia mitady fiarovana amin'Allah ary mitodi-doha amin'All...
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny izy : Rehefa nivoaka avy tao amin'ny lavapiringa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : "...
Rehefa nivoaka avy tao anaty trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : Mangataka Aminao aho (amin'ny famelanao), ry Alla ô!.
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.a), niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe: " Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".
Milaza amintsika i Mpaminany (saw) fa ny miborosy nify amin'ny hazo araky sy ny mitovy izany dia manadio ny vava amin'ny loto sy ny fofona ratsy. Ary...
Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) nilaza izy : Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak.
Matetika ny Mpaminany (S.A.W) no nanadio ny vavany tamin'ny siwak sy nandidy ny amin'izany, ary nohamafisiny ny fanaovana izany tamin'ny fotoana sasan...
Tatitra azo avy tamin'Abo Horaira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manan-jo handro indray mandeha isaky ny fito andro ny mpino silamo...
Nanambara ny irak'Allah (S.A.W) : Fa zo mazava ho an'ny mpino silamo olon-dehibe rehetra ny misasa indray andro isaky ny fito andro ao anatin'ny herin...

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy : Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy".

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny izy : Rehefa nivoaka avy tao amin'ny lavapiringa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : " Ny famelanao ry tompo Allah".

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.a), niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe: " Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".

Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) nilaza izy : Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak.

Tatitra azo avy tamin'Abo Horaira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manan-jo handro indray mandeha isaky ny fito andro ny mpino silamo tsirairay, izay hanasany ny lohany sy ny vatany mandritra izany”.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (RA) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika.."

Tatitra azo avy amin'i Ali (R.A) niteny manao hoe : Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy". Amin'ny Bokhari kosa dia: Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Manaova ozò ary sasao ny henatrao".

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny izy : Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro, avy eo dia manavasava ny volony tamin'ny tànany, mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volony ny rano ary lena ny hodi-dohany, nandraraka rano in-telo taminy, avy eo nanasa ny vatany iray manontolo, dia hoy izy : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) nandro amin'ny koveta iray ary samy nanovo tao izahay roa. .

Tatitra azo avy tamin'i Ammar Ibn Yassir (R.A) niteny : Naniraka ahy ny Mpaminany (S.A.W) tain'ny zavatra iray dia tratran'ny fahalotona lehibe aho nefa tsy nahita rano, ka nihosikosina tamin'ny vovoka aho toy ny biby mihosinkosina, avy eo tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) ka nolazaiko taminy izany, ka hoy izy : “Ampy ho anao raha niteny tamin’ny tànanao roa toy izao sy izao.” avy eo izy dia nikapoka ny tany tamin'ny tanany roa indray mandeha, avy eo nisafo ny tànana havia amin'ny havanana, ary ny ivelan'ny felatànany roa sy ny tarehiny.

Tatitra azo avy tamin'i Al-Moghìra (R.A), niteny izy : Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho teny am-pandehanana, ka niondrika aho mba hanala ny kirarony, dia hoy izy hoe : “Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana” ka nisafoiny fotsiny.

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino silamo (R.A), niteny fa nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Fatima Binti Abi Hobaishi manao hoe : Tonga fotoana foana aho ka tsy madio, Ka hijanona tsy hivavaka ve aho? Dia hoy izy namaly: “Tsia, izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horairah (R.A), niteny ny Mpaminany (saw) manao hoe : “Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”