- Voadidy amin'ny vehivavy ny mandro rehefa tapitra ny andro fadim-bolana.
- Tsy maintsy mivavaka ny vehivavy tratry ny istihàdah.
- Ny fadimbolana : dia rà voajanahary avoakan'ny tranonjaza any amin'ny fivavian'ny vehivavy ampy taona, ary tonga aminy izany mandritry ny andro voafaritra.
- Ny istihàdah : dia fikorianan'ny rà tsy ara-potoana avy any ambanin'ny tranonjaza.
- Ny maha samy hafa ny rà tonga fotoana sy ny rà istihàdah: Ny rà tonga fotoana dia mainty, matevina, ary misy fofona maimbo, ny rà istihàdah kosa dia mena manify ary tsy misy fofona maimbo.