Tatitra azo avy amin'i Jabir (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : "Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan...
Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny tsy fanatanterahana ny vavaka tsy maintsy atao, ary nilaza izy fa eo anelanelan'ny olona iray sy ny fila...
Tatitra azo avy amin'i Salim bin Abi Al-Ja'di niteny izy: Nilaza ny lehilahy iray hoe : Tahaka izay aho nanao soalat dia mba niala sasatra, toy ny nan...
Hoy ny lehilahy iray tamin’ireo mpanaradia : Tahak'izay aho nanao soalat dia mba niala sasatra, ka toy ny nanome tsiny azy noho izany ireo nanodidina...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy : Rehefa nanao takbir tamin'ny vavaka ny irak'Allah, dia nangina kely talohan'ny nitenenany, ka h...
Rehefa niteny "Allaho Akbar" ny Mpaminany (S.A.W), dia nangina kely izy talohan'ny namakiany ny Sorate Al-Fatihah, ary nanombohany ny soalat nataony t...
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny : Ny irak'I Allah dia manangana ny tànany eo an-tsorony rehefa manokatra ny fivavahana, sy rehefa manao t...
Ny Mpaminany (S.A.W) dia manangana ny tànany amin'ny fotoana telo mandritra ny vavaka , manatrika na mahitsy eo amin'ny soroka, izany hoe : ny taolana...
Tatitra azo avy tamin'i Oubada Ibn Soamit (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy soalat ho an'izay tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky...
Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy manan-kery ny swalat raha tsy amin'ny alàlan'ny famakiana ny Sorat Al-Fatihah, satria anisan'ny andrin'ny soalat...

Tatitra azo avy amin'i Jabir (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : "Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat."

Tatitra azo avy amin'i Salim bin Abi Al-Ja'di niteny izy: Nilaza ny lehilahy iray hoe : Tahaka izay aho nanao soalat dia mba niala sasatra, toy ny nanome tsiny azy noho izany izy ireo. ka hoy izy: Nandre ny irak'Allah aho niteny manao hoe: “Ry Bilal ô! Atsangano ny soalat, ampakao sasatra amin'alalan'izany izahay”.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy : Rehefa nanao takbir tamin'ny vavaka ny irak'Allah, dia nangina kely talohan'ny nitenenany, ka hoy aho : Ry irak'Allah ô, noho ny reniko sy ny raiko, inona no zavatra teneninao amin'ny fahanginana kely nataonao? Dia hoy izy namaly : “Miteny aho : Allah ô, halaviro amin’ny fahotako aho tahaka ny nanalaviranao ny Atsinanana sy Andrefana, Allah ô, diovy aho ho afaka amin’ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny akanjo fotsy amin’ny loto“, Allah ô, sasao amin'ny fahotako aho amin’ny ranomandry sy ny rano ary ny havandra".

Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny : Ny irak'I Allah dia manangana ny tànany eo an-tsorony rehefa manokatra ny fivavahana, sy rehefa manao takbir amin'ny fiondrehana, ary rehefa nanandratra ny lohany tamin'ny fiondrehany dia nanandratra azy roa koa; avy eo dia miteny hoe : “Samiallaho Liman Hamida, Rabbana Walakal-hamdo", ary tsy nanao izany izy rehefa niankohoka.

Tatitra azo avy tamin'i Oubada Ibn Soamit (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy soalat ho an'izay tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky"

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny hoe : Izy dia nanao “Allaho Akbar” amin'ny vavaka tsy maintsy atao rehetra na amin'ny hafa, amin’ny Ramadany na amin'ny fotoana hafa, ka miteny “Allaho Akbar” izy rehefa mitsangana, avy eo dia miteny hoe “Allaho Akbar” rehefa miankohoka, avy eo miteny. : "Samiallaho liman hamidah, dia hoy izy : "Rabbanà Walakal-Hamdo", alohan'ny hiankohofany, avy eo izy miteny hoe: "Allaho Akbar" rehefa midina amin'ny fiankohofana ary reheha manainga ny lohany avy amin’ny fiankohofana, avy eo dia miteny hoe “Allaho Akbar” izy rehefa miankohoka, avy eo miteny hoe “Allaho Akbar” rehefa manandratra ny lohany avy amin’ny fiankohofana, avy eo miteny hoe “Allaho Akbar” rehefa mitsangana avy amin'ny fipetrahana teo amin'ny fiankohofarana roa, ary izany hatrany no ataony isaky ny rakaat mandra-pahavitany ny vavaka, avy eo dia miteny izy rehefa hiala manao hoe: Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Ny vavaka ataoko no mitovy kokoa amin'ny vavakin'ny irak'Allah raha oharana amin'ny anareo, ary toy izany no vavaka nataony mandra-pialany teto an-tany.

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito: Eo amin’ny handrina, ary nanondro teo amin’ny orony ny tànany, eo amin'ny tànany roa, sy ny lohaliny roa, sy ny tendron-tongotra roa, ary tsy aholona (apiakarina) ny akanjo sy ny volo".

Tatitra azo avy amin'i Abo Omama niteny izy : Nitantara tamiko i Amro bin Abasa (R.A) nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) izy niteny manao hoe : "Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina, koa raha afaka ny ho isan'ireo izay mahatsiaro an'I Allah amin'izany ora izany ianao, dia aoka hanao izany".

Tatitra azo avy amin'i Jarir Bin Abdillahi (R.A) niteny hoe : Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nijery ny volana Izy indray alina - volana fenomanana - ka nilaza hoe : “ Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy, ary raha azonareo atao ny tsy manao antsirambina ny vavaka alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany, dia ataovy izany.” Ary namaky izy ny andininy : “{Ary mankalazà ny fiderana ny Tomponareo alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehan’ny masoandro}»-

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa Al-Ash'ari (R.A), niteny ilay Irak'Allah (S.W.A) manao hoe : "Izay nanao vavaka amin'ny fotoana mangatsiatsiaka roa dia miditra amin'ny Paradisa".

Tatitra azo avy tamin'i Jondob bin Abdillah Al-Qusri (R.A) , dia hoy Izy Nilaza fa : Ny Irakan'i Tompo Allah (s.w.a) Nilaza ka nanao hoe : " Na iza na iza ny manao ny Vavaka maraina (Soalat Sobhy) dia eo ambanin'ny fiarovan'i Tompo Allah, ka i Tompo Allah dia tsy hangataka na inona na inona Aminareo zavatra ho Azy velively na dia kely aza fa izay hangataka na inona na inona Aminao ho Azy dia hanipy Azy amin'ny tavany any amin'ny afon'ny Helo."

Tatitra azo avy tamin'i Bourayda (R.A) niteny hoe : Afaingano ny Swalat Asri, Satria i Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Izay namela tsy nanao Swalat Asri dia ho zava-poana ny asa fanoampoana vitany".