Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve iana...
Manazava momba ny fandrahonana mafy ho an'izay manainga ny lohany mialohan'ny imam (mpitarika) azy amin'ny soalat ny Mpaminany (S.A.W) fa hataon'Allah...
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (Saw ) manao hoe: “Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka...
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha misalasala ny amin'ny isany vavaka ataony ny olona iray ka tsy fantany hoe telo sa efatra? Dia aoka izy tsy hana...
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny andro tsara indrindra niposahan'ny masoandro dia ny andro zoma, iza...
Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny andro tsara indrindra niposahan'ny masoandro dia ny andro zoma, ary ny mampiavaka azy : dia tamin'io no nanamboar...
Mpaminany (S.W.A) rehefa avy nanao swalat dia miteny hoe : Astaghfirol-loàha, Astaghfirol-loàha, Astaghfirol-loàha.
Avy eo manome voninahitra ny to...
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (Saw ) manao hoe: “Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe telo sa efatra rakat vitany, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, avy eo izy miankohoka indroa alohan’ny famaranana (salam), raha nivavaka dimy rakat izy, dia lasa isa azo zaraina noho ilay fiankohofana roa, ary raha feno efatra rakat ny vavaka nataony, dia ho fanakiviana an’i Satana izany".
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Izay nandro tamin’ny andro zoma tahaky ny fandroana amin’ny Djanaba avy eo nandeha any amin’ny moske, dia ahazo valisoa tahaky ny nanao sorona rameva, ary izay nandeha tamin’ny ora faharoa dia tahaky ny nanao sorona omby, ary izay nandeha tamin’ny ora fahatelo dia tahaky ny nanao sorona ondry, ary izay nandeha tamin’ny ora fahaefatra, dia tahaky ny nanome akoho, ary izay nandeha tamin’ny ora fahadimy dia tahaky ny namoaka atody. Ka raha vao tonga ny Imam, dia mandeha maka toerana mihaino ny Khoutba avokoa ireo anjely mihaino ny fampatsiahivana».
Tatitra azo avy tamin'i Abo O mama (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay mamaky ny Ayatol-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no tsy hidirany ao amin'ny paradisa."