- Ny hatsaran'ny andro zoma manoloana ny andro rehetra sisa ao anatin'ny herinandro.
- Famporisihana amin'ny fanaovana im-betsaka ny asa soa amin'ny andro zoma, ary fiezahana hahazo famindram-pon'I Allah, ary fialana amin'ny saziny.
- Ireo mampiavaka ny andro zoma izay voalaza ao amin'ny Hadith ireo dia voalaza ihany koa fa : Izy io tsy tafiditra ho isan'ny hatsaran'ny andro zoma; satria ny famoahana an'i Adama sy fahatongavan'ny andro farany dia tsy azo lazaina ho fahatsarana. Voalaza ihany koa fa: Izy rehetra dia hatsarana satria namoahana an'i Adama tao amin'ny Paradisa no antom-pisian'ny taranany amin'ireo mpaminany sy Iraka ary ireo olona tsara, ary ny fahatongavan'ny andro farany dia antony fanafainganana valisoan'ireo mpanao asa soa sy fahazoan'izy ireo izay nomanin'I Allah ho azy ireo amin'ireo fanomezana maro.
- Misy hafa mampiavaka ny andro zoma izay tsy voalaza tato amin'ity fitantarana ity, isan'izany : Tamin'io no nandraisana ny fibebahan'i Adama, ary tamin'io nahafaty azy, ary ao amin'ny andro zoma misy ora iray raha mifandraika aminy vavaka sy hataka ataon'ny mpino dia voavaly avy hatrany.
- Ny andro tsara indrindra ao anatin'ny iray taona dia andro Arafa, voalaza koa : Andro fanapahana, ary ny andro tsara indrindra mandritry ny herinandro dia ny andro zoma, ary ny alina tsara indrindra dia Lailatol-Qadri.