- Raha misalasala tamin'ny vavaka nataony ny olona iray, ary tsy fantany ny tena izy amin'ireo zavatra roa mampisalasala azy, dia tokony hanaisotra ny fisalasalana izy ary hanao zavatra azo antoka, izany dia ny fakàna ny isa vitsy, ka tontosainy ny fivavahany sy miankohoka ho solon'ny fanadinoana izy mialohan'ny hanao Salam avy eo dia mamarana ny vavaka.
- Ireo fiankohofana anankiroa ireo dia fomba iray hanitsiana ny swalat, ary hamerenana an’i Satana ho amin’ny faty antoka sy ny henatra ary lavitry ny faniriany.
- Ny fisalasalana voalaza ao amin'ny hadith dia ny tsy fananana toky na dia kely ny iray amin' ireo mampisalasala, ka raha misy ny ahiahy, nefa misy ihany koa ny itongilanan'ny saina, dia iny no raisina.
- Famporisihana hiady amin'ny fakam_panahy sy fanoherana azy amin'ny alalan'ny fanarahana ny baikon'ny lalàna.