/ Eo anelanelan'ny Azan roa dia misy swalat avy eo izy dia niteny tamin'ny fahatelo manao hoe : "Ho an'izay mila izany

Eo anelanelan'ny Azan roa dia misy swalat avy eo izy dia niteny tamin'ny fahatelo manao hoe : "Ho an'izay mila izany

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Moghaffal (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Eo anelanelan'ny Azan roa dia misy swalat avy eo izy dia niteny tamin'ny fahatelo manao hoe : "Ho an'izay mila izany".
Notantarain’i Bokhari sy Moslim

Explanation

Nazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa eo anelanelan'ny Azany (antso) sy ny Ikama (fananganana swalat) dia misy vavaka an-tsitrapo, naveriny in-telo izany, ary nilaza izy tamin'ny fanintelony fa tsara kokoa izany ho an'izay te hivavaka.

Hadeeth benefits

  1. Tsara ny mivavaka eo anelanelan'ny Azan sy ny ikama.
  2. Fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W) ny famerimberenana ny teny lazainy, mba hihainoana sy hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny zavatra nolazainy.
  3. Ny tiana ho lazaina amin'ny antso roa : ny antso ho amin'ny vavaka (Azan) sy ny ikama, nomeny anarana izy roa hoe (antso roa) fampandresena fotsiny, toy ny fitenenana hoe: volana roa (ny masoandro sy ny volana) sy ny omar roa (Abo Bakr sy Omar).
  4. Ny Azan dia fampahafantarana ny fahatongavan'ny fotoana, ary ny ikamah dia fampahafantarana fitsanganan'ny swalat.